Toe-karena

Zotran-dalamby  « train voyageur »: niverina nanomboka omaly ny Dia tsara

Nisokatra nanomboka omaly ny zotran-dalamby mpitatitra olona miainga ao Moramanga mihazo an’i Toamasina. Nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny minisitry ny Fitaterana sy famantarana ny toetr’andro, Ramonjavelo Valéry, niaraka tamin’ny Governoran’ny faritra Alaotra Mangoro, ny Governoran’ny faritra Atsi­nanana ary ireo tomponandraiki-panjakana isan-tsokajiny. Mandalo kaominina 22 ny Dia tsara, indrindra any amin’ireo toerana […]

Tontolo ambanivohitra: hampiasaina amin’ny fambolena ny teknolojia niomerika

Mbola olana eny ifotony ny fahazoan-kevitra sy torolalana amin’ny sehatry ny famokarana isan-tsokajiny eny ambanivohitra, satria tsy ampy ny olona mpanapariaka azy any amin’ny tantsaha. Anisan’ny vahaolana ny fampiasana ny teknolojia niomerika. Fanoitra ho an’ny fampandrasoana ny sehatry ny famokarana eto amintsika ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra, na ny […]

AGOA : hampiroborobo ny fihariana maharitra

Hampiakatra ny fari-piainana ny fifanakalozana ara-barotra sy ny fampiasam-bola eo amin’i Madagasikara sy ny firenena amerikanina. Hitera­ka asa maro ho an’ny Mala­gasy sy fidiram-bola ho an’ny tokantrano samihafa ny hetsika “One day, one country”, izay natao ny talata teo, tao amin’ny biraon’ny masoivohon’i Etazonia eny Andra­nomena. Nampivondrona ma­nam-pahaizana avy amin’ny […]

Fananantany : karatany 4.100 hozaraina ao Antanetibe Mahazaza

Mbola mitohy ny hetsika fizarana karatany ataon’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny fananantany. Oma­ly, nizara karatany tao amin’ny kaominina Antane­tibe Mahazaza, distri­kan’Ambohi­dra­trimo, ny minisitera niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka Casef. Tanjona ny hizarana karatany 4.100 ho an’ireo tantsaha any an-toerana. “800.000 ny karatany voazara amin’izao izay niarahana tamin’ireo mpiara-mi­ombon’antoka samihafa. 80% […]