Toe-karena

Fiavian’ny rivodoza Freddy: miomana amin’ny famatsiana ny minisitera

Miomana amin’ny fiavian’ ny rivodoza Freddy ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny varotra sy ny fanjifana (MICC). Halefa any amin’ny faritra samihafa dieny izao ny Vary Tsinjo hi­tsinjovana ny mety ho fahasarotana amin’ny famatsiana noho ny andro ratsy na mety ho fahatapahan’ny lalana. Niainga teto Antananarivo tamin’ny 19 febroary 2023 […]

Instat – sendikan’ny mpiasa: “Apetraho haingana ny tale jeneraly raikitra”

Niresaka tamin’ny mpanao gazety teny Anosy ireo mpiasa eo anivon’ny Instat, omaly. Tsy misy tale jeneraly ny ity sampandraharaha ity hatramin’izao. “Nanomboka ny volana desambra lasa teo izany ka tsy mihodina ara-dalàna ny asa”, hoy ny ny tale jeneralin’ny sendikan’ny mpiasa birao eo anivon’ny Instat, Andrianirina. “Takinay ny hametrahan’ny fanjakana […]

Fanafarana entana: maty antoka ny mpandraharaha

Fito volana toarian’ny na­nafarana entana, velon-taraina ireo mpandraharaha manana entana amina orinasa mpanafatra entana iray eto an-dReni­vohitra, omaly. «Misy efa entana tamin’ny volana aogositra 2022 ireo entanay ireo kanefa tsy mbola azo hatra­min’izao », hoy ny solontenan’ izy ireo. Olana, ny krizy vokatry ny tsy fisian’ny vola eo amin’ilay orinasa mpanafatra […]

Tetikasa fihariana: mpampindram-bola maro nisitraka fitaovana amin’ny faritra samihafa

Isan’ny paikady hanatanterahana ny vinan’ny fihariana ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra. Entina indrindra izany amin’ny fikirakirana ny vola miditra sy mivoaka amin’ny fanjakana, eo amin’ny orinasa, ny mpandraharaha matihanina, ary ny isam-batan’olona, sy ho fampandehanan-draharaha. Mpampindram-bola ma­dinika hoenti-miasa (Institutions de Micro Finance IMF) 10 (1) no nisitraka fampitaovana haitao […]

Fanovana minisitra: niova ny Angovo, ny Fitaterana, ny Asa vaventy

Anisan’ireo minisitra ne­sorina tamin’ny toerany amin’ izao fanendrena ho mpikambana ao anatin’ny governemanta izao, ny ao amin’ny An­govo sy ny akoranafo, ny Fita­terana sy ny famantarana ny toetry ny andro ary ny Asa vaventy. Nosoloina an-dRasa­moelina Andriamanampisoa, ho minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Ramaroson Andry. Filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Jirama, sady […]