Toe-karena

ONE-Fimpima : Iombonana ny fiarovana ny tontolo iainana

Hiara-kiasa ny Ofisim-pirenena misahana ny fizahantany (ONE) sy ny Fikam­banan’ny mpikambary mala­gasy (Fimpima). Voarakitra ao anatin’izany ny hanofanan’ny ONE ny mpikabary amin’ny fikajiana ny tontolo iainana. Hampidirina ao anatin’ny kabary hataon’izy ireo rehefa miantsehatra amin’ny lanonana samihafa, toy ny fanorenana tokantrano, ohatra. Manana andraikitra amin’ ny fampahafantarana ny rijan-teny sy […]

Lalana Moramanga-Ambatondrazaka: hotokanana amin’ity taona ity ny RN 44

Ho vita godirao tanteraka ny lalam-pirenena RN 44, mampitohy an’i Moramanga hatrany Ambatondrazaka. Etsy ankilany, mihapotika ny lalam-pirenena RNT 3A, eo Vohidiala mankany amin’ny tapany andrefan’ny farihin’Alaotra mipaka any Vohitraivo, sampanana mihazo an’Andilamena. Mamatsy vola ny fanamboarana ny lalam-pirenena RN 44 ny Banky iraisam-pirenena. Nanomboka ny taona 2019 ny asa, […]

Angovo: hitombo 1.000 MW ny herinaratra vokarina

Nitondra ny vinan’ny fanjakana mikasika ny angovo ho an’ny rehetra ny filoha Rajoelina, nandritra ny loabary an-dasy natao any Addis-Abeba Etiopia. Lohahevitra ny hoe «Fiarovana ny hahazoan’ny rehetra herinaratra», izay fivoriana andiany faha-36, nihaonan’ny filoham-panjakana sy ny lehibe governemanta ao anatin’ny Vondrona Afrikanina, nisokatra omaly 18 febroary. Nilaza ny filoha […]

Fivarotam-panafody : nankatoavin’ny HCC ny lalàna vaovao

Nohamafisin’ny Fitsarana avo momba ny Lalampano­renena (HCC), ny 25 janoary teo, fa mifanaraka tsara amin’ny Lalampanorenana ny tolo-dalàna mitondra fanovana ny sata mifehy ny tobim-panafody (Dépôt de médicament). Voakasik’izany ny sata mifehy ny fahasalamana efa nankatoavin’ny Antenimie­ram-pirenena sy ny Anteni­mierandoholona, momba ny toeran’ny tobim-panafody eken’ny lalàna. Voalaza ao anatin’ny fanovana […]