Tsy mitondra vola miditra ao anatin’ny kaominina Dabolava, faritra Menabe, ny volamena trandrahina ao an-toerana, hoy ny ben’ny tanàna Rakotonandrasana Jeanson. Tsy misy tamberim-bidy ho an’ny kaominina izany, noho izay tsy misy fanarahina izay, ka tsy ahafahana manao tamberin’andraikitra isan-karazany. Ratsy dia ratsy ny lalana ifandraisan’ny kaominina, sekoly tsizarizary … […]
Toe-karena
CCI-Atsimo Atsinanana : nahazo filoha vaovao
Hitantana ny Antenimieran’ny varotra sy Indostria (CCI) ao amin’ny faritra Atsimo Atsinanana, i Razafitianamalala Murielle, taorian’ny fifidianana ny alarobia teo. Nandritra ny fametrahana ireo mpikambana ao amin’ny birao hitantana ny CCI ao an-toerana, nametraka ny fitokisany tamin’ity mpandraharaha anisan’ny manana ny maha izy azy ao amin’ny faritra Atsimo Atsinanana ity. […]
Manambolo: miha ripaka ny honko hatramin’ny taona 1980
Atahorana ny fitrandrahana ala honko tafahoatra sy ny fiovan’ny toetr’andro any Manambolo, morontsiraka Andrefan’ny Nosy. Anisan’ny miantoka ny fiainan’ny mponina anefa ny honko. Anisan’ny miantoka ny fiveloman’ny mponina, sy ny fitaovana ilaina ho an’ny fanamboaran-trano ny fisian’io ala honko io. Ilaina koa izy ho an’ny fitsaboana. Manoloana ny fiovan’ny toetr’andro, […]
Ambovombe : nodorana ireo fanafody lany daty 134 boaty
Hiarovana ny ain’ny mpanjifa, nodoran’ny eo anivon’ny ny Talem-paritry ny Indostria, varotra, sy fanjifana (DRICC) Androy, ny fanafody tao anaty boaty 134, tao Ambovombe, ny 26 desambra 2022. Nandritra ny fanentanan’ny tompon’andraikitra tao an-toerana sy ny fanaraha-maso nataon’izy ireo, nandraisana fepetra manokana ireo fanafody ahina hiparitaka eny amin’ny mpividy. Anisan’ireo […]
Fitrandrahana volamena : tsy ho sakanana ny vahoaka madinika
Ahitana toeram-pitrandrahana harena an-kibon’ny tany vaovao ao amin’ny distrikan’i Mandritsara, faritra Sofia. Voalaza fa volamena no mora trandrahina amin’izany toerana izany, fa eo koa ireo karazana vato sarobidy hafa sy vato indostrialy. Nitodika manokana tamin’ny mponina any an-toerana ny solombavambahoakan’i Mandritsara, Rasolomanana Olivier, momba ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana sy […]