Tranga

Ankadimbahoaka : mpitondra bisikileta maty voahitsaky ny kamiao

Namoa-doza ny kamiao iray nihazo ny fasan’ny karana, omaly. Lehilahy mpitondra bisikileta iray no maty tsy tra-drano rehefa nifatratra tao ambanin’ny kodiaran’ilay fiarabe. Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tetsy Ankadim­bahoaka, teo anoloan’ny orinasa iray teny an-toerana, omaly. Maty tsy tra-drano voa­hitsaky ny kamiao tamin’izany ny lehilahy iray nitondra bisikileta. Kamiao lehibe iray […]

Ambatondrazaka : renim-pianakaviana voatifitra teo amin’ny feny

Naratra teo amin’ny feny ny renim-pianakaviana iray notafihan’ny jiolahy mitam-piadiana tao amin’ny kaominina Ambohitsilaozana, distrikan’ Ambatondrazaka, ny alin’ny 28 marsa teo. Tamin’ny 11 ora alina, niditra an-keriny tao amin’ny tokantrano iray . Nitady ny vola, nirefotra ine­fatra misesy ny basy. Raikitra ny fikarohana ireo olon-dratsy. Tsy hita popoka ireto farany. […]

Mananara Avaratra : jiolahy niharan’ny fitsaram-bahoaka

Niharan’ny fitsaram-bahoaka, naratra mafy ny lehilahy iray. Nahatraran’ny fokonolona entana halatra tao Analanja­hana, fokontanin’ Androkaroka, kaominina Ma­nanara, afakomaly maraina. Nangalatra tao amin’io fokontany io izy. Raikitra ny fanenjehana fokonolona ka tsy afa-bela ilay olon-dratsy. Lavo ta­min’ny tany, raikitra ny fikasihan-tanana sy ny daroka. Na­nampy trotraka ny hatezeran’ny fokonolona izay efa […]

Fikambanana liandra ao Toamasina : 20 lahy nidoboka am-ponja vonjimaika

Naiditra am-ponja vonjimaika avokoa ireo zatovo miisa 20 voasaringotra tamina raharaha fampihorohoroana tao Toa­masina, ny talata 28 marsa teo. Voasambotry ny mpitandro filaminana ny alakamisy 16 marsa, voalaza ho mitondra “bois rond” ary mampitahotra ireo sendra azy sy midaroka mihitsy ireto andian-jatovo ireto. Nato­lotra ny mpitsara mpanao fanadihadiana lalina sady […]