Voasambotry ny zandary miasa eo anivon’ny sampam-pikarohana misahana ny heloka bevava ao Toamasina, afakomaly, ireo efa-dahy namono olona tao Tsarahonenana. Nitrangana vonoan’olona tao amin’ny toeram-pisotroana iray anatin’io fokontany io, ny alahady 23 aogositra lasa teo, raha tsiahivina. Nifamaly tao anatin’ny toeram-pisotroana ny lehilahy maromaro izay voalaza fa samy te hampiasa […]
Tranga
Jeneraly RAVALOMANANA RICHARD: nomelohina 10 taona asa an-terivozona
Migadra 10 taona, asa an-terivozona, ny Jly Ravalomanana Richard, araka ny didim-pitsarana nivoaka omaly. Tsy afa-po ny voampanga, nampiakatra fitsarana ambony ny mpisolovava azy. Baomba be! Voasazy hiasa an-terivozona an-tranomaizina mandritra ny 10 taona ny filohan’ny Antenimierandoholona teo aloha, ny Jly Ravalomanana Richard. Niakatra teny anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany Anosy, […]
Vono olona mahatsiravina: lehilahy roa hita faty nihoson-dra
Novonoina tamin’ny fomba feno habibiana Rahajatiana Fenohasina, 29 taona sy Randriamahaleo Sitrakiniana, 27 taona, afakomaly alina. Hita faty tao Ambatobe, kaominina Betatao, distrikan’Anjozorobe izy ireo, omaly maraina, tokony ho tamin’ny 8 ora. Nahita ny razana ny olona mpandalo, nampandre ny tomponandraikitra isan’ambaratongany. Nampandre ny zandary indray ny ben’ny Tanàna, taorian’izay. […]
Toamasina: roa lahy hita faty
Raim-pianakaviana roa samy hafa nisy nanatitra tao amin’ny Hopitaly Be Toamasina, omaly. Nisy nahita tao Ambalakisoa, ny tolakandron’ny alahady 30 aogositra lasa teo, ny lehilahy iray. Nahina mafy ny aina ka nentin’ny tsara sitrapo nihazo ny toeram-pitsaboana eo anivon’ny sampandraharaha misahana ny vonjy taitra ao amin’ny Hopitaly Be izy. Nitsabo […]
Jly Ravalomanana Richard: hiakatra fitsarana anio raha tsy misy ny fiovana
Fito volana taorian’ny nampidirana am-ponja vonjimaika ny Jly Ravalomanana Richard, teny amin’ny fonjan’ Imerintsiatosika, hiakatra fitsarana ao amin’ny ady heloka bevava Anosy, anio, ny tenany, raha tsy hisy ny fiovana. Maro ny vesatra hanenjehana azy, raha ny angom-baovao. Anisan’izany ny ny fanohintohinana ny fiandrianam-panjakana, firaisana tsikombakomba tamin’ny heloka bevava samihafa, […]




