Tranga

Vaky trano : Jiolahy raindahiny maty voatifitra

Mitohy hatrany ny fanenjehana sy fandravan’ny polisim-pirenena ireo olon-dratsy. Jiolahy raindahiny iray no maty voatifitr’izy ireo, ny sabotsy 17 oktobra 2026 lasa teo, tokony ho tamin’ny 2 ora maraina tany ho any. Raha ny fanazavana voaray, Lehilahy maromaro no tratra teo am-pamakiana trano teny akaikin’ny EPP Sahavola, any Fenoarivo Atsinanana. […]

Lozam-pifamoivoizana teto an-dRenivohitra : Olona telo namoy ny ainy, ny sabotsy teo

Ny sabotsy teo, olona telo namoy ny ainy, vokatry ny lozam-pifamoivoizana teto an-dRenivohitra sy ny manodidina. Maty voahitsaky ny kamiao ny mpitondra moto iray tetsy Anosizato Andrefana. Maty tery tao anaty fiara izay nifandona tetsy Ankadindramamy, ny roa hafa. Mateti-piseho ny trangana lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona tato ho ato. Lehilahy sy […]

Namontana-Anosibe : Mpanendaka 19 lahy voasambotry ny UIR

Saron’ny polisy teo am-pidorohana sy teo am-pamarotana zava-mahadomelina ny andian-dehilahy am-polony tao amin’ny fokontany Na­mon­tana, omaly. Naharay loha­ranom-baovao marim-pototra ny polisin’ny UIR fa misy lehilahy maromaro mi­vorivory anatin’ny toerana somary malomaloka ao amin’io fokontany io. Nidina ifotony nanao fisafoana teny ny polisy. Nanatanteraka paikady manokana tsy ahafahan’ireo ahina ho mpiray […]

Fandaminana ataon’ny kaominina: Nitokona ny mpivarotra teny Mahazoarivo

Nidina an-dalambe, sy nandoro kodiarana ireo mpivarotra amoron-dalana, tetsy Ambohimihandra mihazo ny lalana mankany Mahazoarivo, omaly maraina tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany tany ho any. Naneho ny tsy fankasitrahany ny fandaminana napetraky ny kaominina Antananarivo Reni­vohitra ireo mpivarotra ireo, ka niroso tamin’izao hetsika izao. Nambaran’ireo mpivarotra fa nisy […]