Tranga

Navoaka ny entan’ilay vadintany… : mihoatra ny 100 tapitrisa Ar ny hofan-trano tsy voaloany

Niroso tamin’ny fanatanterahana ny didim-pitsarana ny vadintany, omaly, nanala ny vadintany nipetraka tamina villa iray eny Ambohibao, rehefa tsy nahaloa hofan-trano an-taona maro. Efa mihoatra ny 100 tapitrisa Ar ny hofan-trano tsy naloany… Tsy nandoa hofan-trano efa an-taona maro ity vadintany mipetraka eny amina villa iray eny Ambohibao ity. Voatery […]

Niteraka savorovoro… Kamiaobe nihitsoka teo amin’ny tetezan’Anosizato

Niteraka fitohanana nandritra ny ora maro ny fisiana kamiaobe iray tafahitsoka teo amin’ny tetezan’Anosizato Andrefana, omaly maraina. Tratran’ny olana teknika ilay fiarabe ka nitsivalana teo ambony tetezana. Tsy afa-nandeha ny fiara hafa na ny mizotra hihazo ny lalana mankany Ampitatafika na ireo handeha hiakatra aty an-drenivohitra. Nifanjevo tao anaty tetezana […]

fakana an-keriny : namoahana didy fikarohana i Fano

Nivoaka ny didy fampisamborana an’i Mahaleojaona Fanomezantsoa na koa i Fano. Lehilahy voatondro ho ani­san’ireo mpaka an-keriny sy mitazona ireo takalonaina telo mianadahy tao Morarano Chrome. Ankehitriny, karo­hin’ny mpitandro filaminana fatratra ity lehilahy ity, noho izy voarohirohy tamin’iny asan-jiolahy iny. Ankoatra izay, mbola voasaringotra amina raharaha fikambanan-jiolahy sy fanodinkodinam-bola ary […]

Namono karana tao Toamasina : ankoatra ilay maty voatifitra, jiolahy iray tratra

Tohivakana hatrany ny fisamborana ataon’ny polisy amin’ireo jiolahy tompon’antoka tamin’ny fanafihana niharo fahafatesana teratany karana iray tao Toamasina, ny 4 marsa 2023 teo. Tratra tao Tanambao Verrerie ny iray amin’ireo jiolahy anisan’ny namono ity teratany indianina ity. Fantatra araka ny fanangonam-baovao nataon’ny polisy fa mpanangom-baovao ho an’ireo jiolahy mialoha ny […]

Nokarohina efa ela : lavon’ ny zandary Rabeny

Maty voatifitry ny zandarimaria avy ao Antsohihy, omaly, Rabeny ilay malaso nampitondra faisana ny mponina ao amin’ny kaominina Ankerika distrikan’Antso­hi­hy. Nokarohina efa ho he­rin­taona mahery ity olon-dratsy ka hita nihaodihaody tao amin’ny fokontany Antafian­dakana izy. Nampandre ny mpitandro filaminana avy hatrany ny fokonolona. Raiki­tra ny fifanjevoana tokony ho tamin’ny 2 […]