Niharan-doza tampoka, maty vokatry ny faharendrehan’ny fiara tsy mataho-dalana nitondra azy tao anaty rano ny lehiben’ny Distrika ao Ivohibe, omaly. Namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana nateraky ny fiakaran’ny rano ny lehiben’ny Distrikan’Ivohibe, teo amin’ ny RN27, omaly. Tra-doza teo amin’ny tetezan’i Manarahiky, izay mirefy 600 m, 5 km miala […]
Tranga
Fandrobana indroa nisesy : voaroba ny vola aman-tapitrisa maro
Mirongatra ny tsy fandriampahalemana! Notafihan’ny dahalo efa-dahy nirongo basy ny tranona mpandraharaha iray tao Morafeno, distrika Soanierana Ivongo. Ny alatsinainy teo tokony ho tamin’ny 11 ora alina, niditra an-keriny tao amin’ireo tompon-trano ireo olon-dratsy. Tsy vitan’ny nandrahona ny jiolahy fa nanapoaka basy ihany koa. Vokany, voatifitra teo amin’ny tongony ilay […]
Fenoarivo : mpangalatra jiro amin’ny arabe naiditra am-ponja
Taorian’ny nanolorana azy teny anivon’ny fampanoavana, nidoboka am-ponja vonjimaika ny mpangalatra jiro manazava ny arabe mihazo an’iny kaominina Fenoarivo iny, afakomaly. Nahatrarana gony iray ity lehilahy ity rehefa nifanena tamin’ny zandary nanao fisafoana eny an-toerana, ny zoma 3 marsa teo. Natao ny fisavana izany gony izany kinanjo jiro avokoa no […]
Vono olona tao Canada… : jiolahy iray maty voatifitry ny FIP
Lavon’ny balan’ny polisin’ny FIP tao amin’ny cité Canada Toamasina, afakomaly hariva, ny jiolahy iray isan’ireo tompon’antoka tamin’ny fanafihana namoizana ain’ olona tao an-toerana. Nitrangana fanafihana mitam-piadiana nahafatesana teratany vahiny iray tao Toamasina, ny faran’ny herinandro teo. Niroso tamin’ny fanadihadiana sy ny angom-baovao avy hatrany ny polisy ka fantatra fa mihaodihaody […]
Fitsaram-bahoaka : jiolahy voadaroka teo am-pibatana tele sy ordinatera
Saika namoy ny ainy! Tratran’ny fitsaram-bahoaka ny jiolahy iray namaky trano teny Ambohipo, omaly tamin’ny 9 ora maraina. Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany faharoa (CSP2) izy noho ity vaky trano nataony ity. Nahazo antso ny polisin’ny CSP2 fa misy trangana vaky trano eny amin’iny faritra Ambohipo iny. […]