Tranga

Morarano Chrome : nihena ny sandan’ ireo takalon’aina

Nidina hatramin’ny 50 tapi­trisa Ar ny vola takin’ireo jiolahy mpaka an-keriny ao Morarano Chrome. Afakoma­ly, niantso ny havan’ireo takalon’aina ireo olon-dratsy ka nilaza ilay vola tadiaviny. Nifampiresaka an-telefonina ny roa tonta. Niresaka tamin’ ny havany ihany koa ireo olona telo nalaina an-keriny. Ankilan’izay, tsy mbola na­maly ny fitakian’ireo jiolahy ny […]

Vehivavy telo lasibatra: mpanendaka tratra teo Andravoahangy

Raikitra indray ny fifanenjehana teo amin’ny polisin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo (CSP3) Antaninandro sy ny tontakely, omaly, teny Andravoahangy. Jiolahy iray mpanao sinto-mahery no tratra tamina elakela-trano iray anelanelan’ny Epi d’Or sy ny Looks Andravoahangy, taorian’ ny fanenjehana. Raha ny fanazavan’ny polisy, nisy vehivavy telo tonga nanao fitarainana tany amin’ny polisy. […]

Vono olona mahatsiravina: lehilahy iray maty notapahin-doha

Raim-pianakaviana iray 50 taona no maty tamin’ny fomba feno habibiana. Nentina nivoaka ny tanàna misy azy izy, nokapain’ireo dahalo ny lohany ary nentin’izy ireo. Ny zoma teo tokony ho tamin’ny 2 ora maraina, notafihina andian-jiolahy ny tokantranon’ity lehilahy ity, monina ao amin’ ny kaominina Vinanitelo, distrikan’i Manakara. Tantsaha izy, varira […]

Fikambanana Daholo : manampy ny tanora hanana asa

Nikarakara hetsika “Fo­rum des métiers” ny fikambanana Daholo, ny zoma lasa teo. Natao tetsy amin’ny Ly­cée privée Fanavotana Antsa­lovana 67ha. Tanjona ny ham­piofana ny tanora eo amin’ny tontolon’ny asa. Misedra ola­na ny tanora malagasy amin’ny fitadiavana asa manerana ny Nosy. Sakana ny tsy fananan’ireo ankizy vao nahavita fianarana fahaiza-manao eo […]