Tranga

Tafaporitsaka ny telo… : tratra ny iray tamin’ireo jiolahy nangalatra vy

Voasambotry ny polisy mi­a­­sa ao amin’ny kaomisaria fo­i­be Toamasina, omaly ta­min’ny 1 ora sy 30 mn maraina, tao An­jo­ma ny iray tamin’ireo jiolahy voarohirohy ho tompon’antoka tamina halatra vy (fer 10). Na­ha­ray antso ny polisy fa misy andian-jiolahy tafiditra ao an-tokotaniny man­galatra vy 50 isa. Na­monjy ilay toerana misy ireto […]

Nanararaotra amboTeazy : jiolahy roa tratra nanendaka

Tratra ambodiomby teo am-panaovana ny asa ratsiny ireo mpanendaka roa lahy te­ny Anosizato. Ny sabotsy ma­­raina teo, nanararaotra ny fitohanan’ny fiara ireto olon-dratsy ka nanendaka olona izay tratrany. Nahatsikaritra iza­ny ilay polisy nanao fanamiana sivily tsy lavitra teo. Vokany, noraisim-potsiny teo am-panaovana ny asa ratsiny izy roa lahy ka voasambotra […]

Variana nifandamina… : notrongisin’ny Mazda avy aoriana ilay moto sy taxi

Andro miditra ! Ni­tran­gana lozam-pifamoivoizana nandratra olona teny An­ko­rondrano, omaly tamin’ny 4 ora maraina teo. Moto iray sy taxi no nifandona teo amin’ity toerana ity. Mafy ny fifandonana satria samy nahitana fahasimbana na ilay taxi na ilay moto. Mbola nifandamina sy nifanazava momba izany ny mpamilin’ilay taxi sy ilay mpitondra […]

RONGONY roa gony voatango… : lehilahy iray tratra namboly 49 fototra

Tratran’ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra , ny faran’ny herinandro teo, ny lehilahy iray voarohirohy ho namboly rongony 49 fototra tao an-tanànan’Ambodivona Ambatolokanga, kaominina ambanivohitr’i Tsiafahy. An­ko­atra ireo rongony tratra teny am-potony, mbola nisy roa gony koa efa voatango sy voakarakara hamidy tratra tao an-tranony. Loha­ranom-baovao no nahafantaran’ny zandary momba […]

Morarano Chrome: jiolahy enina maty voatifitra

Nifanjevo ny mpitandro filaminana sy ny olon-dratsy tao Morarano Chrome ka hatrany Andranobe distrikan’Amparafaravola, ny sabotsy alina teo. Maty voatifitra tamin’izay ny jiolahy enin-dahy nifanehitra tamin’izy ireo. Ny sabotsy alina teo, nifanenjika ny mpitandro filaminana sy ny olon-dratsy. Vokany, lavo nandritra izay ny efa-dahy. Nitohy tany Andranobe-Am­parafa­ra­vola ny hetsika “Ha­rato” […]