Mitohy hatrany ny famotorana momba ilay sambokely nitondra teratany maorisianina niditra an-tsokosoko tao Vohémar herinandro vitsy lasa izay. « Misy ny teratany malagasy vitsivitsy ahina fatratra nifandray tamin’ireo olona niditra an-tsokosoko », hoy ny sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria. Notohizany fa mifandray amina resaka zava-mahadomelina mahery vaika ihany ity raharaha ity. […]
Tranga
Fivadiham-pitokisana : mpiasa nangalatra 1 tapitrisa
Voaheloka higadra 8 volana an-tranomaizina, miampy lamandy enina alina sy roa hetsy, omaly, ny lehilahy iray. Nangalatra volan’ny mampiasa azy tetsy 67 Ha izy. Roa lahy ny mpiambina no nijanona tao an-tsena. Nilaza hody ilay mpangala-bola tamin’ny alina nahaverezan’ny vola. Nisy fotoana anefa, niserana tao an-tsena izy. Noho ny maraina, […]
Vazaha migadra : voasambotry ny zandary
Nifanena tamin’ireo zandary mpanao fisafoana afakomaly maraina tao Antonibe Analalava ilay teratany vahiny tafavoaka ny fonja tao Mampikony. Gadra nandositra izy. Misazy noho ny resaka vono olona. Ny 12 febroary teo tafavoaka ny fonja ny tenany. Tsy fantatra ny fomba nahatafavoahany tao. Ny ampitson’io, nivoaka avy hatrany ny filazana fikarohana […]
Fanendahana mpianatra : roa lahy tratra niaraka tamin’ny kitapo feno entana
Saron’ny polisy tao amin’ny ANS Ampefiloha, omaly, ireo tovolahy nangalatra entana mpianatra. Tsy miasa izy roa lahy. Tsy ampy taona ny iray. Naharay antso avy tamin’ny fibaikoana ny hery vonjy taitran’ny polisy ny kaomisaria ao amin’ny boriborintany fahefatra. Voalaza tamin’izay ireo entana mpianatra very. Nisokatra tamin’izay ny famotorana. Nandefa polisy […]
Olona roa namoy ny ainy : mirongatra ny lozam-pifamoivoizana ao Toamasina
Tao anatin’ny 48 ora, olona roa namoy ny ainy vokatry ny lozam-piarakodia tao Toamasina. Mila fitandremana ! Tra-doza ny fiara tsy mataho-dalana iray, afakomaly hariva. Nitondra olona roa, avy nisotrosotra teny amoron-dranomasina izy ity. Voalaza ho niteraka ny loza ny hamamoana. Tsy voafehin’ilay raim-pianakaviana nitondra ny fiara ny familina. Vokany, […]