Nirefodrefotra indray ny basy nandritra ny fifandonana teo amin’ny dahalo sy ny miaramila ZDS Ikopa, tao Ankazobe, afakomaly. Maty rotiky ny bala ny dahalo telo lahy nandritra ny fifandonana. Araka ny fampitam-baovao voaray, nandritra ny fisafoana fanao mahazatra nataon’ireo miaramila no nahatrarana ireto dahalo ireto. Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny […]
Tranga
Nalefa eny Antanimora: roa lahy tratra saika hamaky trano
Naiditra am-ponja vonjimaika eny amin’ny fonjan’ Antanimora omaly, ireo roa lahy voarohirohy ho nikasa hamaky trano. Tratran’ny polisy PPA3 Ilanivato izy roa lahy ireto niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana, ny talata maraina teny Ampefiloha. Nahatsikaritra azy roa lahy nitondra fitaovana toy ny antsy, hety lava sy barre à pince ny polisy. Somary […]
Ambatolampy: mpangalatra roa lahy sy ny reniny voasambotra
Lehilahy telo sy ramatoa iray indray voasambotra noho ny fisiana vaky trano tao Ambanimaso, kaominina Ambatolampy, ny atoandron’ny 26 febroary teo. Nandeha nivavaka ny tompontrano, nidiran’ny tovolahy roa ny tokantrano iray. Lasan’izy ireo tamin’izany ny vola nitentina 1 060 000 Ar. Niverina nody, akory ny hatairan’ireo tompontrano tsy nahita intsony ny volany. […]
Ankadifotsy : tratra ny jiolahy mpanendaka an’elakela-trano
Noraisim-potsiny ! Tratran’ ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo (CSP3), omaly, ny jiolahy mpanendaka sady mitondra antsy lava eny amin’ny faritra Ambatomitsangana Ankadifotsy. Tsy niandry ela ny polisy fa nandray andraikitra avy hatrany raha vao naheno ny fitarainana nataon’ireo mponina eny Ambatomitsangana Ankadifotsy momba ny fisian’ireo mpanendaka mitondra antsy […]
Vono olona tao Toamasina : roa lahy natao sarika am-pandriana
Nalain’ny polisy vao maraina tao an-tranony ao Mangarivotra Atsimo, omaly ireo jiolahy tompon’ antoka tamina vonoan’olona nahafatesana lehilahy iray… Voasambotra ny alin’ny talata hifoha omaly alarobia ireo roa lahy ahina ho tompon’antoka nanao tifitra variraraka ka nahafatesana lehilahy iray ny sabotsy 25 febroary teo, tao Mangarivotra Atsimo, Toamasina. Araka ny […]