Mpitandro filaminana roa niara- namoy ny ainy tao Toamasina raha avy any Barikadimy, ny alatsinainy lasa teo. Nanao taingin-droa tamin’ny moto izy ireo ary nihazo ny lalana mahitsy Antanandava. Nahitana kalesa tsy misy jiro maro eny amin’ny arabe. Niala izany izy ireo ka nifatratra tamin’ ny fiara mpitatitra entana iray […]
Tranga
Toamasina : tratra ny jiolahy mpanao fanafihana
Mbola mitohy ny fikarohana ataon’ny polisy ny iray amin’ireo jiolahy tompon’antoka tamin’ilay fanafihana tokantrano iray ao Toamasina an-tampon-tanàna. Jiolahy telo indray voasambotry ny polisy ny faran’ny herinandro teo nandritra ny fanafihana mitam-piadiana tao amina tokantrano iray. Lasan’ireo mpanafika ny entana sarobidy rehetra tao an-trano nandritra ity fanafihana ity. Na teo […]
Asan-jiolahy : fito lahy voasambotry ny polisy
Nanaovan’ny polisy vela-pandrika, noraisim-potsiny niaraka tamin’ny vilany nangalariny ny mpamaky trano telo lahy tao Mandritsara, ny faran’ny herinandro teo. Mitaraina matetika ny ankamaroan’ny mponina ao an-toerana. Tsy mifidy alaina ireo jiolahy fa entiny hatramin’ny vilany fandrahoana sakafo. Nanao paikady hanatrarana ireo tsy mataho-tody noho izany ny eo anivon’ny polisim-pirenena ao […]
Nahatrarana rongony 12 kg : ramatoa iray nidoboka am-ponja
Naiditra am-ponja vonjimaika ny ramatoa iray nahatraran’ny mpitandro filaminana rongony milanga 12 kg tao amin’ny fokontany Mahatsara, anatin’ny kaominina renivohitra Antsiranana, afakomaly. Naharay antso tamina olona tsara sitrapo ny polisy fa misy renim-pianakaviana iray manaparitaka rongony ao amin’io fokontany io. Natao ny fanadihadiana. Niroso tamin’ny fisavana ny tranon’ ilay ramatoa […]
Sambava: «Pompiste» nangala-bola 6 tapitrisa Ar
Niteraka resa-be ao Sambava ny raharaha halatra nataona mpiasana tobin-tsolika ao amin’ny fokontany Antanifotsy I. “Afakomaly, niasa toy ny isan’andro io lehilahy io. Ny harivan’io, nandalo ireo mpaka vola. Nandritra izay, nangala-tsonia an’ireo tompon’andraikitra izy ka lasany avokoa ireo vola enina tapitrisa Ar”, hoy ny fanazavan’ ilay mpitantana tobin-tsolika. Fantatra […]