Na eo aza ny fisian’ny fitsaram-bahoaka, vao mainka mampirongatra ny asan-jiolahy izany ary efa tsy mifidy hangalarina intsony ry zalahy amin’izao. Halatra sy vaky lakozia no saika namoizan’izy roa ny ainy… Haingana ny fahatongavan’ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany faharoa (CSP2) naka ireo jiolahy roa fa raha tsy izany […]
Tranga
Mandritsara : lehilahy nisoloky dimy tapitrisa Ar voasambotra
Nokarohin’ny mpitandro filaminana hatry ny ela, voasambotra ny faran’ny herinandro teo ny lehilahy iray avy any Soanieran’Ivongo, nisoloky vola mitentina 5 300 000 Ar tao Mandritsara. Mpiara-miasa tamin’io lehilahy io ihany, tamin’ny alalan’ny fividianana jirofo ity nambakainy ity. Nentiny nandositra anefa ny volabe. Nametraka fitoriana teny anivon’ny mpitandro filaminana ny lasibatra. Nataon’ny […]
Fitsaram-bahoaka : mpangalatr’omby matin’ny fokonolona
Niharan’ny hatezeram-bahoaka rehefa nikasa hanohitra, maty ny jiolahy iray voatondro ho nangalatr’omby tao Mahatsinjo, kaominina ambanivohitra Antanambao, distrikan’Antsirabe II, ny alahady teo. Nitrangana halatr’omby tao amin’io fokontany io. Tsy hita popoka ny omby iray ka nanao fanarahan-dia ny fokonolona. Lohan’omby sisa hitan’izy ireo. Tsy lavitra teo amin’io toerana io, nisava […]
Fanolanana tambabe : olona enina niakatra fampanoavana
Niatrika mpitsara mpanao famotorana omaly ireo enin-dahy voatondro ho nanolana ankizivavy 13 taona tao Toliara, iray volana lasa izay. Naharitra ora maro ny fanadihadiana ary naverina teny amin’ny fitsarana indray ny raharaha ny tolakandro. Fantatra fa mpanakanto ireto voarohirohy ho nanolana ankizy tsy ampy taona ireto. “Nihazo ny renivohitra kosa […]
Antsirabe: tratra ny andian-jiolahy mitam-piadiana
Tohivakana ny fanafihana mitam-piadiana ao an-tanànan’ Antsirabe. Manoloana izany, nanao hetsika manokana ny polisy hamongorana tanteraka izany. Tratra tamin’ ny ampahany, ny faran’ny herinandro teo, araka izany, ny andian-jiolahy tompon’antoka tamin’ny fanafihana mitam-piadiana tao Ambalavato, Ambohimena, Mandaniresaka ary Verezambola sy toerana hafa. Tratra niaraka tamin’izy ireo koa ny basy vita […]