Tranga

Fitsaram-bahoaka : mpangalatr’omby matin’ny fokonolona

Niharan’ny hatezeram-bahoaka rehefa nikasa hanohitra, maty ny jiolahy iray voatondro ho nangalatr’omby tao Mahatsinjo, kaominina ambanivohitra Antanambao, distri­kan’Antsirabe II, ny alahady teo. Nitrangana halatr’omby tao amin’io fokontany io. Tsy hita popoka ny omby iray ka nanao fanarahan-dia ny fokonolona. Lohan’omby sisa hi­tan’izy ireo. Tsy lavitra teo amin’io toerana io, nisava […]

Antsirabe: tratra ny andian-jiolahy mitam-piadiana

Tohivakana ny fanafihana mitam-piadiana ao an-tanànan’ Antsirabe. Manoloana izany, nanao hetsika manokana ny polisy hamongorana tanteraka izany. Tratra tamin’ ny ampahany, ny faran’ny herinandro teo, araka izany, ny andian-jiolahy tompon’antoka tamin’ny fa­nafihana mitam-piadiana tao Ambala­vato, Ambohimena, Mandani­resaka ary Verezambola sy toerana hafa. Tratra niaraka tamin’izy ireo koa ny basy vita […]

“Kidnapping”- Morarano chrome: mitaky 200 Tapitrisa Ar ny mpaka an-keriny

Mangataka volabe aman-tapitrisa maro ireo jiolahy mpaka an-keriny tao Morarano chrome . Izany no takalon’ny famotsorana ireo takalon’aina telo eny am-pelatanany. Taorian’ny fifampiresahana an-telefonina na­taon’ireo mpaka an-keriny tamin’ny fianakavian’ireo takalon’aina ao Ambo­himanarivo-Morarano chrome. Mitaky vola mitentina 200 tapitrisa Ar ireo jiolahy ho tambin’ny famotsorana azy telo. Vola an-tapitrisa maro mampitolefika […]

Ambositra : mpangala-katsaka matin’ny fitsaram-bahoaka

Maty tsy tra-drano ilay mpangala-katsaka matin’ny fi­tsaram-bahoaka tao Ambositra ny faran’ny herinandro teo. Tsy namelan’ny olona raha tsy tapitra ny ainy nefa katsaka babiny roa no tratra teny amin’ity mpangalatra ity. Nentin-katezerana ny olona ka samy nitsaingoka nanala ny hatezerany tamin’ilay jiolahy. Naratra mafy vokatr’izany. Nisy ihany ireo olona nalahelo […]