Tranga

Nanararaotra rivodoza: jiolahy iray lavo, dimy azo sambo-belona

Nanararaotra ny fandalovan’ny rivodoza, jiolahy iray maty voatifitra ary efa-dahy voasambotry ny polisy teo am-pamakiana «quincaillerie», tao Ampasambazaha- Fianarantsoa, ny alin’ny talata hifoha ny alarobia teo. Nifanehatra tampoka tamin’ny polisy manao fisafoana amin’ny alina ireto jiolahy mitam-piadiana, nikiry handositra avy hatrany ireto farany. Nasain’ny polisy nijanona saingy nanohy ny fitsoahana […]

Mpangalatra taribin-jiro : jiolahy 6 naiditra am-ponja

Olona enina tamin’ireo sivy tratra no naiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjaben’Ambatondrazaka, omaly, raha nahazo fahafahana vonjimaika kosa ny telo. Voarohirohy ho tompon’antoka tamina halatra taribin-jiro sy fitaovan’ny orinasa BETC Jiro kanto mpiara-miombon’ antoka amin’ny Jirama ireto tratran’ny zandary tao Tsa­rahonenana Ambatondrazaka ireto. Halatra niteraka fahatapahan-jiro matetika tany an-toerana. Misy […]

Fivarotana zava-mahadomelina: nizerianina iray nahatrarana “héroïne” 400g

Teratany vahiny faha-19 voasambotry ny zandarimariam-pirenena tao anatin’ny valo volana ity nizerianina tratra niaraka tamina “héroïne” 400g ity. Niakatra fampanoavana omaly ilay teratany nizerianina voasambotra teny Ambohimirary ny alahady teo. Tratra teny amin’ity teratany vahiny ity ireo “héroïne” milanja 400 grama. Saika hivarotra izany izy ary hanaparitaka ity zava-mahadomelina mahery […]

MIVARO-TENA AMIN’NY INTERNET : sivy vavy voasambotry ny zandary

Hiatrika fampanoavana tsy ho ela ilay vehivavy tompona orinasa fivarotan-tena anaty internet tao Mahajanga. Ny zoma teo, tratra tao Ambalavato ity tambazotra mamoafady ity ka voasambotra tamin’izay ireo valo vavy miasa amin’izany. Sarona nandritra izay koa ireo fitaovana fampiasan’izy ireo. Eto an-drenivohitra no fanaovan’ilay vehivavy ny tolotr’asa omeny. Namaly izany […]

Toamasina : kambana nifanavotra, matin’ ny herinaratra ny iray

Nikasika tamin’ny trano vita amin’ny tafo vy, niraikitra ny zazavavy kely iray tao amin’ny tsenan’Ankirihiry ny alatsinainy 20 febroary teo. Niara-nilalao teo an-tokontany ireo zaza mirahavavy. Kambana, nanaraka ny rahavaviny hatrany ilay zazavavy kely iray. Kinanjo, niraikitra tampoka tamin’ny tariby nisy herinaratra ilay zazavavy vao herintaona sy tapany. Niezaka nanavotra […]