Tranga

Antsobolo : andian-jiolahy nanafika tranona mpianatra

Mirongatra ny tsy fandriampahalemana. Nitrangana fanafihan-jiolahy teny amina tranon’ny mpianatra eny Antsobolo ny alin’ny talata hifoha alarobia teo. Tamin’io fotoana io, nitety ireo trano teny amin’ny manodidina ireo jioalahy saingy tsy nahavaha trano. “Nifindra tato aminay izy ireo ka niezaka namoha ny varavarana tamin’ny lakile. Renay izany ka nitsoaka avy […]

Avy naka vola teo amin’ny GAB : nosintonin’ireo roa vavy ny poketran’ilay ramatoa

Lasan’ireo roa vavy ny poketran’ny renim-pianakaviana iray avy naka vola tao amina GAB iray eny Ankorondrano, omaly… Manao ny ataony koa ny vehivavy! Voa­sambotry ny polisy nanao fanamiana sivily ireo roa vavy nanendaka renim-pianakaviana iray avy naka vola teo amin’ny masinina fisariham-bola amin’ny alalan’ny karatra (GAB), omaly, teny Ankorondrano. Narahan’ […]

Entona nipoaka : lehilahy iray naratra, naiditra hopitaly

Nalefa notsaboina eny anivon’ny hopitaly, ny olona iray naratra mafy vokatry ny fipoahan’ny «bouteille à gaz» tao Mangarano Toamasina, omaly. “Nisy nanary tamin’ireo tavoahangy nisy entona ireo ka nitarika ny fipoahana”, hoy ny eo anivon’ny sampana mpamonjy voina ao Toamasina. Notahirizina tao amina tokantrano iray ireo tavoahangy maromaro misy entona. […]

Toamasina : hotsaraina tsy ho ela ny raharahan’ny kaominina Toamasina sy Fenoarivo Atsinanana

Nisongadina tamin’ny ta­titra tao amin’ny efitrano ma­lalaky ny fitsarana ambony Toamasina ny momba ny asa vita sy ny vina ho an’ny taona 2023 teo anivon’ny fitsarana misahana ny ady ara-bola. Nilaza ny filohan’ny sampam-pitsarana ny tsy maintsy hitsarana ny raharaha kaominina Toamasina sy Fenoarivo Atsinanana. Nisy ny fitsirihina nataon’ny fitsarana […]

Ivato : sarona ireo telo lahy mpivarotra rongony

Mpivarotra rongony telo lahy indray voasambotry ny polisy misahana ny ady amin’ ny zava-mahadomelina tetsy Ivato K5, ny faran’ny herinandro teo. Nahazo loharanom-baovao tamina tomponandraikitra iray ao an- toerana ny polisy momba ireto mpivarotra rongony ireto. Nidina tampoka, tra-tehaka teo amin’ny faritra voatondro tokoa ny telo lahy. Natao ny fisavana, […]