Disadisam-pianakaviana tonga hatramin’ny ra nandriaka. Nifamaly ireto mpihavana ka novonoin’ny dadatoany sy ny namany ny havany nifanditra taminy noho ny resaka ady tany. Maty voatifitry ny polisy miasa ao Sakaraha, omaly, ny lehilahy voarohirohy tamin’ilay vono olona tao an-toerana ny alin’ny alahady teo. Voasambotra tao Andaboly-Toliara, afakomaly, kosa ny namany […]
Tranga
Fakana an-keriny : zaza nilalao nangatahana takalo 10 tapitrisa Ar
Nanao hetsika manoloana ny kaomisarian’ny 67 ha omaly ny terak’Imady, omaly, nitaky ny hanaovana famotorana lalina momba ilay ankizilahikely hita faty teny Tanjombato tamin’ny alahady. Nilaza ho vonona hiara-hiasa amin’ny polisy ireo fianakaviany. Mbola mitana ny sain’ny maro ny raharaha nahafaty ilay zazalahikely 10 taona, hita faty teny Ankeniheny Tanjombato […]
Governemanta : voatendry ho MDN ny Jly Rakotoarijaona Josoa
Voatendry handrafitra ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta tarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian, ho minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN) ny Jly Rakotoarijaona Josoa. Manamboninahitra jeneraly isan’ireo niara-niasa akaiky tamin’ny MDN teo aloha, ny Jly Rakotonirina Richard izy. Nivoaka avy ao amin’ny andiany faha 17 tao amin’ny Akademia Miaramila (Acmil) Antsirabe izy. Manana ny […]
Behenjy: jiolahy iray lavo, iray tratra
Rehefa nifampitadiavan’ny zandary, noraisim-potsiny tao amin’ny hopitaly tao Behenjy ny iray tamin’ireo jiolahy natao hazalambo, omaly maraina. Nanao ny asa ratsiny tao amina mpivarotra amina tsenam-barotra iray, lasan’ireto jiolahy ireto ny entana, telefaonina telo sy vola 230 000 Ar, ny alin’ny alahady teo. Nodarohan’izy ireo ny tompon-trano, vaky nandositra izy rehefa […]
Antsohihy: dahalo mpanakan-dalana lavo
Maty voatifitry ny zandary avy ao Antsohihy nandritra ny fifanjevoana ny jiolahy roa lahy mpanakan-dalana. Nanao fisafoana teo anelanelan’ny kaominina Anahidrano sy ny kaominina Befotaka avaratra, distrikan’Analalava, lalam-pirenena fahaenina ny mpitandro filaminana ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy teo. Tojo sakan-dalana anefa ny zandary tsy lavitra an’Antanambao avaratra sy Antsaribao. Nijanona […]