Trano 35 indray hotohoton’ny afo, anjatony ireo traboina. Io no vokatry ny haintrano mahatsiravina nitranga ao amin’ny fokontany Ampasimbola kaominina ambanivohitr’ Ampasimazava distrikan’i Vavatenina, ny zoma tolakandro teo. Trano falafa sy biriky ireto may ireto, araka ny fanazavana voaray avy any an-toerana. Voalaza fa vokatry ny afon-tsaribao tsy novonoina noho […]
Tranga
Vaky trano : polisy lasibatra, jiolahy iray voasambotra
Noraisim-potsiny ! Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahadimy (CSP5) ny sabotsy teo teny Anosy ny jiolahy iray voarohirohy ho tompon’antoka tamina vaky trano. Nianika tamboho teo amina trano iray eny Anosy akaikin’ny toeram-pisakafoana iray izy ny Asabotsy tamin’ny 2 ora sy 50 mn. Tsy nampoizin’ilay jiolahy anefa fa […]
Maty noana : raim-pianakaviana hita faty teo amoron-dalana
Dimy andro natoriany andalana noho ny tsy fisiana. Namoy ny ainy vokatry ny tsy fahazakana ny ora-nikija, hatsiaka, hafanana ary hanoanana nahazo azy ny raim-pianakaviana iray tetsy Anosibe, omaly maraina. Rangahy iray, manodidina ny 50 taona hita faty teny amoron-dalana teny Anosibe, omaly maraina. Nipetraka nanoloana ny vavahadin’ny tranon’olona iray […]
Ranomainty – Taolagnaro : daholo roa lahy tratran’ny Tafika
Ampolony ireo andian-dahalo nirongo basim-borona sy famaky ary lefona nitangorona tamin’iny lalam-pirenena faha 13 (RN13) iny. Tao Ranomainty, kaominina ambanivohitr’Ankariera, distrikan’i Taolagnaro, no nitrangan’izany afakomaly. Nikasa handroba ny mpndeha amin’iny lalana iny ireto dahalo ireto, araka ny fanazavan’ny mpandeha tamina taksiborosy hihazo an’i Taolagnaro. Nampandre haingana ny zava-misy tamin’ny miaramilan’ny […]
Saika hiditra an-tsokosoko : teratany malagasy 11 tratra tao Comores
Sarona tatsy amin’ny Nosy Comores avokoa ireo teratany malagasy 11 niditra an-tsokosoko tao an-toerana. Niainga tao Mahajanga ny 06 febroary lasa teo ny sambo “Shanny” nandehanan’ireo mpandeha. Nitondra entana ilay sambo ary mbola ireo tantsambo no tao anatiny nandritra ny fisavana sy fanaraha-maso azy tao amin’ny seranan-tsambo. Nony tao amin’ny […]