Tranga

Arivonimamo : varotra kamiao nivadika ho fisolokiana

Manana fitarainana avy amin’ny olona ny eny an­ivon’ny polisim-pirenena, ramatoa mpividy fiara, monina ao amin’ny fokontany Ata­boka, kaominina sy Dis­tri­kan’Arivonimamo no nivadi-pitokisana ka mampitaraina ireo izay sendra azy. Anisan’ ireo lasibatra ny renim-pianakaviana iray ao Antanifotsy. Nivarotra kamiao lehibe iray tamin’io ramatoa voatondro ho mpisoloky io izy. Misy taratasy fifanarahana […]

Efa nesoriny ny voamaso… : tratra teny amin’ i Esopa ny lohan’ilay ankizilahy

Nampihoron-koditra! Voa­sam­botry ny miaramila avy ao amin’ny bataillon infanterie Toliara tao Befandriana, om­aly, ny lehilahy iray antsoina hoe i Esopa, raindahiny amin’ ny halatra taova. Nandritra ny fisafoana nataon’izy ireo niaraka tamin’ny zandary tao An­dranovorindrangataky, kaomi­nina ambanivohitr’i Soahazo, distrikan’i Morombe no nahatrarana azy. Mbola tratra teny aminy ny lohan’ny ankizilahy […]

Fatim-behivavy hita : sady tsy nisy tanana intsony no lanin’ny alika

Tsy nisy namantarana azy intsony ilay vehivavy hita faty teny Ambohimanambola, ny alakamisy teo. Efa lanin’ny alika ny lohany sy ny tratrany ary nibaribary ny taovany rehetra. Tranga mampihorin-ko­di­tra. Nahitana fatim-behivavy iray manodidina ny 40 taona teo nosavoritahan’ny alika tao amin’ny sahan’Antsahala, fokontany Ambohimahatsinjo Ambohi­ma­na­m­bola. Afakomaly tokony ho tamin’ny 09 […]

Tambajotran-jiolahy ; dimy lahy indray matin’ny zandary

Ravan’ny zandarimaria avy ao Maevatanana ny tambajotran-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadina sy mpanakan-dalana. Taorian’ny nahafatesan’ ireo jiolahy telo lahy saika ha­nafika taksiborosy avy ao Maha­janga saika hihazo ny renivohitra ny alahady teo. Nitohy ny famotorana ny raharaha. Voa-sambotra mialohan’io kosa ireo namany roa lahy voatondro ho atidoha nikotrika iny fanafihana iny. […]

Tsenabe Isotry: jiolahy tratra nivarotra vilanibe halatra

Tsy mifidy intsony ireo jiolahy! Hatolotra ny fampanoavana aorian’ny fanadihadiana azy ity jiolahy iray tratra namaky tranon’olona teny Ambatomena ity. Voa­sam­botry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahefatra (CSP4), Isotry teo amin’ny tsenabe Isotry ilay jiolahy, omaly tamin’ny 5 ora maraina. Voarohirohy amina halatra mi­haro vaky trano izy. Voalazan’ny […]