Tranga

Tambajotran-jiolahy ; dimy lahy indray matin’ny zandary

Ravan’ny zandarimaria avy ao Maevatanana ny tambajotran-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadina sy mpanakan-dalana. Taorian’ny nahafatesan’ ireo jiolahy telo lahy saika ha­nafika taksiborosy avy ao Maha­janga saika hihazo ny renivohitra ny alahady teo. Nitohy ny famotorana ny raharaha. Voa-sambotra mialohan’io kosa ireo namany roa lahy voatondro ho atidoha nikotrika iny fanafihana iny. […]

Tsenabe Isotry: jiolahy tratra nivarotra vilanibe halatra

Tsy mifidy intsony ireo jiolahy! Hatolotra ny fampanoavana aorian’ny fanadihadiana azy ity jiolahy iray tratra namaky tranon’olona teny Ambatomena ity. Voa­sam­botry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahefatra (CSP4), Isotry teo amin’ny tsenabe Isotry ilay jiolahy, omaly tamin’ny 5 ora maraina. Voarohirohy amina halatra mi­haro vaky trano izy. Voalazan’ny […]

Ela nitoratorahana : maty voatifitry ny polisy i Erick, mpamono olona

Tapitra tanteraka ny asa ratsin’ny jiolahy iray ikoizana ao Toamasina. Afakomaly, nirefodrefotra ny basy tokony ho tamin’ny 12 ora alina teo, tao Tsarahonenana. Maty voatifitry ny polisin’ny Fip i Erick, jiolahy mpamerin-keloka sady nokarohina hatry ny ela. Fanta-daza amin’ny vaky trano, vono olona ary fanafihana mitam-piadiana ny lehilahy. Tamin’io fotoana […]

Mandrosoa Ivato : roa lahy nahatrarana rongony 3,2 kg sy mohara

Tratran’ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena Ambohidratrimo teny Mandrosoa Ivato, omaly, ireo roa lahy voarohirohy tamina raharaha fivarotana rongony. Nahazo loharanom-baovao ny kaomandin’ny vondron-to­bim-paritra momba ny fisiana mpanao trafikana zava-mahadomelina ao amina trano iray ao amin’ny fokontany Man­drosoa. Nametraka ny vela-pandrika rehetra ahafahana misambotra ireto voarohirohy ny zandary […]

Fanafihana miharo vono olona: jiolahy telo lavo, efatra hafa atao hazalambo

Ravan’ny zandary ilay tambajotran-jiolahy voatondro ho nahafaty mpamaky vato tao Betafo andro vitsy lasa izay. Ankehitriny, maromaro ireo naiditra am-ponja, telo lahy hafa lavo ary mbola misy ireo namany karohina fatratra. Niatrika ireo mpitsara mpanao famotorana, omaly, tao Antsirabe, ny roa lahy sy ny vehivavy iray voasaringotra tamin’ilay fanafihana miharo […]