Voasambotry ny polisy ireo tovolahy miisa roa afakomaly. Tratra nivarotra rongony teny Manakambahiny sy Ambodivona izy ireo tamin’izany. Naharay fitarainana mikasika io tranga io ny eo anivon’ny sampana miady amin’ny fidorohana zava-mahadomelina (Stup) eny Anosy ka nahatonga ny fidinana ifotony nataon’ny polisim-pirenena. Vokany, voasambotra nandritra izany ny roa lahy anisan’ny […]
Tranga
Miandahy miambavy ireo mpamaky trano: amidin’ireo jiolahy 60 000Ar ny ordinatera halatra
Ravan’ny polisy ao amin’ny kaomisarian’i Vatomandry ireo tambajotran-jiolahy (ahitana vehivavy) mpamaky trano. Niainga avy amin’ny fahatrarana jiolahy telo mpamaky trano ny 10 febroary 2023 teo no nahafahana nisambotra ireo namany. Araka ny fanazavan’ny polisy, maromaro ireo olona niharan’ny vaky trano ka nametraka fitoriana tao amin’ny kaomisarian’ny polisy ao Vatomandry. Natao […]
Ampefiloha: nesorina ireo mpivarotra korontamby
Miala amin’izay! Niroso tamin’ny fanalana ireo mpivarotra korontamby eny amin’ny lalan’ny mpandeha an-tongotra eny Ampefiloha ny teo anivon’ny kaomisarian’ny boriborintany fahefatra (CSP4) Isotry niaraka tamin’ny PPA Ampefiloha, omaly. Antony ho fisorohana ny lozam-pifamoivoizana sy ny fanelingelenana mahazo ny mpampiasa lalana ary indrindra ny loto aterak’ireo mpivarotra korontamby. Mialoha izao, efa […]
Vao nivoaka ny fonja… : tratra nangalatra kojokojana moto indray ireo jiolahy
Tsy mety fay mihitsy ! Hiverina eny amin’ny toeram-ponenany eny am-ponja indray ireto jiolahy tratran’ny polisy ireto. Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo (CSP3) Antaninandro teny Mascar Andravoahangy, omaly, ny jiolahy roa voarohirohy tamina halatra kojakojana moto. Raha ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny polisy, tokony ho tamin’ny 9 […]
Nosy Be : Tanzanianina iray nahatrarana «marijuana» sivy kilao
Nafenina tao anaty valizy saingy mbola tratra ihany, ireo rongony mahery vaika noentina teratany tanzanianina iray tao Nosy Be afakomaly. Milanja sivy kilao mahery ity zava-mahadomelina sarona tao amin’ny seranam-piaramadina Fascène ity. Tonga tamin’ny sidina “Ethiopian Airlines ET837” ny mpandeha nitondra izany ny talata teo, hoy ny fanazavan’ny sampandraharahan’ ny […]