Tranga

Raharaha mampiahiahy: maty nisy namono Rabezanahary Lalao

Maty tamin’ny fomba feno habibiana tao an-tranony teny Ambohipo Rabezanahary Lalao, Coordonateur général ny Vondron’olona miaro ny fitondrana (VMF) ary filoha lefitry ny Tanora mijoro ho an’i Madagasikara (TMM). Andro vitsy taorian’ ilay vono olona ma­hatsiravina tetsy An­davamamba, nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana tao an-tranony teny Ambohipo koa Rabe­za­na­hary […]

Kolikoly avolenta tao Toamasina: voaheloka handoa onitra 6 tapitrisa Ar Ratsiraka Elysé

Nomelohin’ny fitsarana handoa onitra 6 tapitrisa Ar ny ben’ny Tanàna ambonivohitr’i Toamasina teo aloha, Ratsiraka Elysé sy ireo olona roa niaraka taminy… Tontosa ny alatsinainy 13 febroary 2023 teo anivon’ny fitsarana miady amin’ny kolikoly (Pac) 67 ha ny fanadihadiana natao tamin’ireo mpiasan’ny kaominina miisa 13 mianadahy. Vavo­lombelona momba ny raharaha […]

Ampahibe : mpangalatra moto saika niharan’ny fitsaram-bahoaka

Nifanenjehan’ny fokonolona, voasambotra ny lehilahy iray nangalatra moto tetsy Ampahibe, omaly tamin’ny 11 ora atoandro. Nihevitra azy ho tsy nisy nahita, natosik’io mpangalatra io ny moto BWS. Nivoaka tampoka anefa ny tompony. Hatairana ny an’ity farany tsy nahita intsony ny moto teo amin’ny toerana nisy izany. Tetsy ankilany, niezaka namelona […]

Behenjy: mpangala-bilany nidoboka am-ponja

Efa nigadra enim-bolana, naiditra am-ponja vonjimaika indray ny lehilahy iray mpamaky trano voasambotry ny zandary tao Tsarafara Behenjy, ny alin’ny alakamisy hifoha zoma 10 febroary teo. Niditra an-keriny tao amina tokantrano iray, nalainy izay azo nobataina ka nifindra tamin’ny tokantrano iray hafa indray izy. Ren’ireo mpivady tao amin’ity trano faharoa […]

Ampasanimalo : lehilahy iray mpibata entana tratra nanendaka

Naiditra am-ponja omaly rehefa avy natolotra ny fampanoavana ny jiolahy iray voarohirohy ho tompon’an­toka tamin’ny fanendahana olona eny amin’ny faritr’Am­pasanimalo. Ny polisin’ny kaomisarian’Ambohijatovo (CSP2) no nahasambotra ity jiolahy ity teny Ampasani­malo. Tamin’io fotoana io, nisy nihoraka teo anelakela-trano Colisée Ampasanimalo fa nisy mpandalo voaendaka. Teo am-pitsoahana izy no nifanehatra tamin’ny […]