Tranga

Antsohihy: dahalo raindahiny maty voatifitra

Maty rotiky ny balan’ny zandary, omaly, i Sirama, dahalo anisan’ireo mampitondra faisana ao Antsohihy. Tokony ho tamin’ny 03 ora maraina teo, nifanjevo ny zandarimaria sy ireto olon-dratsy. Tafaporitsaka nandritra izany ireo roa lahy namany raha lavo kosa ity dahalo ity. Ma­laza amin’ny halatr’omby, fanafihana mitam-piadiana ary mpanakan-dalana eny amin’ny lalam-pirenena […]

Herisetra : naratra ny lohany, folaka ny tanan’ilay ankizy novonoin-drenikeliny

Hatolotra ny fampanoavana ny renikely nahavita nanao herisetra tamin’ny zana-badiny. Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria Sambava, ny zoma teo, izy noho ny fandratrana sy famonoana ankizy. Ankizilahy 6 taona ity niharan’ny herisetra ity tao amin’ny fokontany Antsirabe Sambava. Nikia­kiaka nitomany ilay ankizy rehefa novonoiny sy nodarohany tao an-trano. […]

Fandriana : raim-pianakaviana hita faty natsingevan’ny rano

Tsy nisy nahafantarana azy intsony, raim-pianakaviana iray hita faty natsingevan’ny rano tao amin’ny fokontany Morarano, kaominina Amba­nivohitra Fandriana, ny asabotsy 11 febroary teo. Olona sendra hanasa tanana no nahita zavatra hafahafa teo amin’ny rano. Nentin’ny hatairana, niantso avy hatrany ny manodidina izy. Rehefa nosarihana tao anatin’ny rano, olona efa namoy […]