Ravan’ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-pileovan’ny zandarimariam-pirenena Atsinanana, tarihin’ny Kly Ranaivoarison Théodule, ny tambajotran-jiolahy roa samihafa, ny alatsinainy sy talata teo. Fantatra fa jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana tao Tanamakoa, Tanambao fahadimy, Salazamay ry zalahy ireto, tahirin’i Darilisy (Allh Kaidà). Anisan’ny nandray anjara tamin’ny famonoana ilay teratany frantsay sy ny vady […]
Tranga
Brieville : ankizilahikely nihotsahan’ny trano
Zava-doza no niseho tao amin’ny fokontany sy kaominina Brieville, Ambanitsena, distrika Tsaratanàna, omaly. Ankizilahikely valo taona no maty nihotsahan’ny trano tokony ho tamin’ny 01 ora maraina teo. Niseho tao anatin’ ny torimaso ny loza. Tamin’io fotoana io, nitsahatra ny orana ary samy raiki-tory izy telo mianaka tompon-trano. Ilay ankizilahikely natory […]
Taksiborosy tra-doza: zazakely iray maty, olona valo naratra mafy
Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray omaly maraina teny amin’ny lalam-pirenena fahadimy (RN5). Tra-doza tamin’izany ny fiara Sprinter iray, taksiborosy mampitohy an’i Vavatenina sy Toamasina. Tra-doza tampoka anefa izy nony tonga teo Andranotsara, fokontany sy kaominina Ampasibe-Onibe. Tokony ho tamin’ny 09 ora sy sasany teo, nivadika tampoka ny fiara rehefa niala lavaka teo […]
Kamiao lasan’ny rano: maty voatsindry ny mpamily mpanampy
Nitera-doza ka nahafatesana olona iray indray ny fiakaran’ny rano vokatry ny rotsak’ orana nisesisesy tao amin’ny distrikan’i Mampikony. Nivadika tampoka teo Antanetilava ny kamiao lehibe iray avy any Tsarahasina nikasa hihazo an’i Mampikony, omaly tolakandro. Nitondra olona vitsivitsy, efa mpandeha amin’io lalam-pirenena io ity fiara ity. “Vokatry ny fiakaran’ny rano, […]
Trafikana rongony: sivy mianadahy sarona, roa vao nivoaka ny fonja
Voasambotry ny mpitandro filaminana, ny zoma teo, ireo tanora isan’ireo mpivarotra sady mpamboly rongony eto an-drenivohitra. Vao avy namita sazy ny roa tamin’ireo sivy mianadahy. Tratra teny Andrefan’ Ambohijanahary, Manarintsoa izy rehetra ary miandahy miambavy mihitsy. Enina amin’ireo vehivavy avokoa, lehilahy ny telo. Manodidina ny 15 sy 16 taona ny […]