Mipaka hatrany amin’ny faritra ny adin’ny mpitantana fiangonana Jesosy Mamonjy amin’izao fotoana. Ny pasitera ao Ankafina Tsarafidy, distrikan’Ambohimahasoa indray no nifampitory ny alatsinainy teo. Nivory tsy ara-potoana noho izany ireo mpikambana ao amin’ny OMC ao amin’ny distrikan’Ambohimahasoa. Nitarika izany ny lehiben’ny distrika ao an-toerana, omaly. Nodinihana nandritra izany, ny fitoriana […]
Tranga
Ambohimanatrika : roa lahy tratra nifoka rongony teo akaikin’ny EPP
Mirongatra ny fidorohana zava-mahadomelina eny amin’ iny faritra Atsimondrano iny. Voasambotry ny polisy ao amin’ny commissariat central Atsimondrano ny lehilahy roa malaza ratsy amin’ny fidorohana zava-mahadomelina sady manendaka ihany koa. Raha ny tatitra nampitain’ny polisy, naharay fitarainana matetika hatrany ny polisy ao Tanjombato amin’ny afitsok’ireo mpidoroka zava-mahadomelina. Mandray zava-mahadomelina avokoa […]
Fandalovan’i Cheneso: nankahery ireo traboina ny minisitry ny Fitsarana
Maro ireo olona traboina mbola tsy tafarina ny fiainany noho ny takaitra navelan’ny rivodoza Cheneso farany teo. Isan’ireo nitondra faisana tamin’izany ny faritra Atsinanana. Manoloana izany indrindra nidina tany amin’iny faritra iny ny minisitry ny Fitsarana, Rakotozafy François, nitondra fanampiana sy nankahery ireo traboina, ny asabotsy teo. Araka ny toromarika […]
Rangahy namono ny vadiny : maty voatifitry ny mpitandro filaminana
Hasarotam-piaro diso tafahoatra. Lehilahy iray nahavita namira zava-maranitra sy namono an-dramatoa vadiny raha nahatazana azy niresaka tamin’ny rain-janany tao Ivandriky, Beroroha. Nandrika ny ra tao amin’ ny fokontany Ivandriky, kaominina Tanandava, distrika Beroroha afakomaly tokony ho tamin’ ny 03 ora tolakandro. Renim-pianakaviana iray manodidina ny 30 taona teo no maty. […]
Anosizato: jiolahy niafina tao anaty armoara
Nifanehatra tamin’ny polisy misahana ny ady amin’ny asan-jiolahy mahery vaika (SAG) teny Anosizato Atsinanana, afakomaly ny jiolahy iray tratra namaky trano. Nandritra ny fotoana nanaovan’ny polisin’ny SAG fisafoana teny akaikin’ny farmasia iray eny Anosibe no nahatrarana ity jiolahy ity. Nisy renim-pianakaviana iray tonga nampandre ny polisy momba ny fisiana asa […]