Tranga

VOAPOIZIN’NY SAKAFO : olona fito naiditra hopitaly

Nihinana antsantsa boriloha, olona fito indray naiditra hopitaly tao Analapasy, distrikan’i Taolagnaro, faritra Anosy, ny faran’ny herinandro teo. Naka ny hena avy tamin’ireo antsantsa roa, na­handro azy tamin’ny to­kan­tranony ireto niharan’ny fanapoizinana ara-tsakafo ireto. Nitaraina ho narary kibo sy nandoa anefa izy ireo. Nenti­na namonjy toeram-pitsaboana (CSBII Analapasy sy CSBI […]

Ben’ny tanàna voatafika: misy zandary voasaringotra

Lasibatry ny fanafihan-jiolahy ny ny ben’ny Tanà­nan’Ambohimiarivo, distri­kan’Antsirabe II, ny harivan’ny 23 oktobra teo. Voaroba sy lasan’ireo andian-jiolahy nirogo basy manodidina ny 15 isa tsy nisaron-tava tamin’izany ny vola sy findain’ireo tompon-trano. Tsy nisy maty sy naratra ireo lasibatra. « Tsy nisy nisaron-tava ireo olon-dratsy, tsy fantatra ihany koa ny vola […]

Halatra taolam-paty: jiolahy roa maty voatifitra

Jiolahy enina mpivarotra taolam-paty tratry ny zandary tao Ambohipihaonantsoa, afakomaly tokony tamin’ny 11 ora alina. Maty voatifitra tamin’izany ny jiolahy miisa roa nanao asa ratsy. Nahafa­hana nisambotra azy ireo ny vela-pandrika nataon’ireo zandary. Tsiahivina fa nahazo loharanom-baovao ny zandary fa misy olona mitady mpividy taolam-paty any efa ho herinandro mahery […]

Haintrano mahatsiravina: entana manodidina ny 700 tapitrisa Ar may

Nijoalajoala ny afo tao amin’ny fokontany Avaradro­va, kaominina Ambatondra­zaka, omaly. Nanomboka tamin’ny 03 ora sy fahefany maraina teo ny afo ka nandravarava trano fivarotan-kazo ao an-toerana. Vokany, may avokoa ny faritry ny tokotany eo amin’ny 50m2 misy ity tranom-barotra ity. Kilan’ny afo ny entana rehetra, ireo masinina, entam-barotra sy trano […]

Valizin’ny filoham-pirenena: nohadihadina lalina i Mahery Lanto Manandafy

Niatrika ny mpitsara mpanao famotorana, omaly, i Mahery Lanto Manandafy. Raharaha “valizin’ny filoham-pirenena” no nampiantsoana azy. Naverina eny Antanimora izy. Niverina teny amin’ny fitsarana, omaly ma­raina, i Mahery Lanto Manandafy na i Malama. Nanaovan’ny mpitsara mpanao famotorana fanadihadiana momba ny raharaha « valizin’ny filoham-pirenena » izy. Naharitra adiny iray mahery ny fakana […]