Other News

Sehon-dry Rajao Mianakavy : Nitsikombakomba ireo mpijery

Dingana lehibe no afaka ho an-dry Rajao Mianakavy! Nobatain’izy ireo irery ny CCEsca Antanimena, iray amin’ireo efitrano fanaovana fampisehoana, mari-drefy ho an’ny laza. Vao nanomboka ilay “Afindrafindrao” nasian-dRajao tonony dia efa nanome ny lokon’ny fampisehoana sahady: nifototra tamin’ny sa­rimihetsika “Malok’ila” nahafantarana azy ireo, niampy ireo sasantsany toy ny “Play Boys”, […]

Basikety-“Stage des entraîneurs”: 40 mianadahy nahazo traikefa

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Sain­te Famille Mahamasina, ny famaranana ny fiofanana ho an’ny mpanazatra, izay nokarakarain’ny Seksionan’ny ba­si­kety Antananarivo Renivo­hitra. Ny tale teknika nasionaly eo anivon’ny federasionina, Razafiarivony Solofohery An­gelot, no nizara ny traikefany tamin’ireo mpiofana, nandritra ny 3 herinandro. Niatrika fanadinana ireo mpiofana ary 40 mianadahy […]

Fetin’ny mpifankatia : Nanokatra ny taom-pampisehoana 2026

Nitontona faran’ny herinandro, ary tanatin’ny andro tsara. Saika nahitam-pahombiazana avokoa, araka izany, ireo fety aman-danonana izay tafiditra tao anatin’ny fankalazana ny fetin’ny mpifankatia, tamin’ity. Ny zoma 13 febroary dia efa nanomboka izany, notohizana ny 14 febroary, tena andron’ny fankalazana ary nofaranana omaly alahady. Nanokatra ny taom-pampisehoana 2026 ihany koa izany, […]

Rugby – “XXL Top 12”: Resin’ny Cosfa ny CEA Andranomanalina

Nivoaka sempotra vao tafavoaka ho mpandresy ny Cosfa (Bebaoty), nanoloana ny CEA Andranomanalina. Fihaonana tafiditra amin’ny andro fahadimy hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby “XXL Top 12”. Efa tany amin’ny “gong” farany vao nibata ny fandresena tamin’ny isa tery ny miaramila. Nahavory mpijery maro, ny fihaonan’ny roa tonta, tamin’ity. […]

DAKA AN-JORONY

Olana etsy, olana eroa Toy ny tongo-bakivaky ity olan’ny baolina kitra ity ka sady maharary no mahamenatra. Toa aretina tsy mety sitrana ny zava-misy ao anatiny. Tsy miafina amin’ny rehetra intsony fa miharihary toa tafika andrefan-tanana ka sady hitan’ny maso no ren’ny sofina. Toy ny fary ny fahitana izany ka […]