Tsy nahazaka toaka! Tratran’ny polisy avy ao amin’ny “3ème Compagnie urbaine d’intervention” (CUI) teny Analakely, ny alatsinainy tamin’ny 11 ora sy 45 mn alina ireo lehilahy efatra, nitondra fiara 4×4. Mandrahona hamono hahafaty ireo olona mifanena aminy eny an-dalana ry zalahy ireto, raha ny fampitam-baovao avy amin’ny polisy. Tamin’io fotoana […]
Other News
Avaratr’Ankatso: mirongatra indray ny halatra moto
Nifanehatra tamin’ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany faharoa (CSP2) Ambohijatovo teny Avaratra Ankatso, omaly, ny jiolahy iray malaza ratsy amin’ny halatra moto. Nahazo fitarainana sy fitoriana avy amin’ireo olona mipetraka eny amin’ny manodidina an’Avaratra Ankatso ny polisy, nampahafantatra ny fahaverezana moto iray. Nandeha ny fikarohana nataon’ny polisy momba izany […]
Tratran’ny vela-pandrika… : voasambotry ny polisy ireo andian-jiolahy mpanafika Cash point
Noraisim-potsiny! Tratran’ny vela-pandriky ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria Alasora (CSP) Alasora ireo andian-jiolahy mpanao fanafihana Cash point amin’iny faritra iny… Hatolotra ny fampanoavana aorian’ny famotorana ireto andian-jiolahy malaza ratsy amin’ny fanafihana mitam-piadiana ireto. Voarohirohy ho tompon’ antoka tamina fanafihana tompona Cash point iray mipetraka eny Mahitsy Alasora ry zalahy […]
Fitsaram-bahoaka: olona roa matin’ny tora-bato sy vely kibay
Tao anatin’ny alina iray, olona roa indray namoy ny ainy niharan’ny fitsaram-bahoaka tao Toamasina, ny faran’ny herinandro teo. Lehilahy iray voatondro ho nangalatra tao Ankirihiry ny iray tamin’ ireo maty nodarohan’ny fokonolona, ny alin’ny sabotsy 15 avrily teo tao Toamasina. Voasambotra, tsy nisy alaharo ny an’ireo manodidina fa nidaroka niampy […]






