Other News

Fanentanan’ny Ceni : efa azo hamarinina ny anaran’ny mpifidy

Notsiahivin’ny eo anivon’ny Ceni ireo tetiandro amin’izao fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy izao sy ny fanohizana ny fanoratana ny anaran’ny mpifidy. Ani­san’ izany ny efa namaranana vonjimaika ny lisitra ny 10 avirly teo. Haharitra enina andro, nanomboka ny 11 hatramin’ny 16 avrily kosa ny fandefasana ny lisitra eny anivon’ny […]

KMF/Cnoe : “Manararaotra ny fitondrana”

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny KMF/Cnoe manoloana ny raharaham-pirenena, amin’izao fotoana izao. “Manamarika izahay manoloana ireo lanonam-panjakana etsy sy eroa fa manararaotra amin’ny lafiny maro ny fitondrana ankehitriny”, hoy izy ireo. Nota­nisain’ny fanambarana amin’izany fa mifangaro ny lanonam-panjakana sy ny hetsika politika. Efa fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana no misy raha […]

Filohan’ny Vaomieran’ny fiainana politika: “Tokony tsy afa-kirotsaka ny kandidà tsy manana mpitambola”

Manara-maso akaiky ny fiatrehana ny fifidianana tahaka ny efa nataony ny eo anivon’ny Vaomieran’ny fanaraha-maso ny famatsiam-bola sy ny fiainana politika (CCFVP). Nitondra ny sosokeviny izy ireo amin’izany. “Tsy mpanao lalàna sy tsy mpanao po­litika ny CCFVP, fa mpampihatra lalàna amin’ny fiainana politika. Ani­san’ ny sosokevitray voalohany dia hoe: tokony […]

Tsatoka antsy : roa lahy voaendaka, voatrobaka ny kibony

Naratra mafy notsatohan’ny jiolahy antsy ireo olona voalaza avy nijery fampisehoana teny Analakely, afakomaly hariva. Mody eny Ano­sipatrana izy roa lahy ireto, saingy niala tamin’ny taxi-be teo Andavamamba no narahan’ny jiolahy telo avy aoriana. Teo amin’ny lalana pavé mivoaka eo amin’ny fiangonana iray eo Andavamamba no nanaovan’ireo olon-dratsy ny asa […]

Mila mijoro

Anatin’ny fifampitsapan-kery tanteraka ny mpanao politika malagasy, ankehitriny. Iaraha-mahita sy miaina ny kivorivory etsy sy eroa, entina mampiseho fa manana olona mpanohana. Zary hifaninanana ny serasera sy ny fandokafan-tena fa mamy hoditra amin’ny vahoaka malagasy. Toe-javatra efa mahazatra raha amin’ny vanim-potoana tahaka izao, indrindra amin’ny faramparan’ny fotoam-pitondrana ho an’ny ankilany, […]