Other News

Nandriaka ny ra… : raim-pianakaviana maty voahitsaky ny kamiaobe nitondra vato

Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona indray tao Antanandava-Toamasina, sampanana mivily mankany amin’ny Lycée faharoa, omaly. Raim-pianakaviana iray nandeha bisikileta nipoitra avy any amin’ny sampanan-dalana handray ny RN2 no maty voatrongin’ny kamiaobe mpitatitra fasika sy vato. Nandriaka eran’ny arabe ny ra, niforitra mihitsy ilay bi­sikileta nandehanany. Efa ao amin’ny fokontany 11/58 Ankirihiry ny […]

Fivadiham-pitokisana : mpifankatia nangalatra vola 20 tapitrisa Ar

Nalain’ny mpanampy an-trano an-tsokosoko ny fanalahidin’ny tranon’ny mpampiasa azy teo aloha, tetsy Soa­manandrariny, ary nangalariny ny vola 20 tapitrisa Ar ny alatsinain’ny Paska lasa teo. Nilaza hanambady ity tovovavy mpanampy ity ka niala tao amin’io trano niasany io ny janoary teo. Nentin’ny fahatokisana, tsy nanova ny fitoeran’ny fanalahidin’ny trano ireo […]

Fandriampahalemana : hamongotra ny asan-jiolahy ny hetsika « Tselatra »

Nosantarina ao amin’ireo ZDS dimy voasokajy ho faritra mena ny hetsika “Tselatra” ataon’ny Tafika, anatin’ny volana maromaro. Sorohana anatin’io fotoana io ny tranga tsy fandriampahalemana rehetra hahafahan’ny vahoaka mivelona am-pilaminana. Nanomboka roa herinandro, am-perinasa ary hamongotra ny jiolahy sy ireo manohintohina ny fandriampahalemana ny hetsika “Tselatra” ataon’ny eo anivon’ny Tafika, […]