Efa any an-toerana avokoa amin’izao fotoana izao ny delegasiona malagasy hiatrika fiofanana any Chine. Hanomboka anio ny kotrana ho an’ireo atleta 51 mianadahy. Nisy ny fitsenana sy fandraisana ireo atleta malagasy handranto fiofanana sy hanoman-tena ho amin’ny lalaon’ny Nosy, nataon’ny solontenam-panjakana Sinoa. Raha ny vaovao voaray, salama tsara daholo ny […]
Other News
Alley Hoop 3×3: hiverina indray ny fifaninanana
Niato nandritra ny 3 taona ny fifaninanana basikety, Alley Hoop 3×3. Ankehitriny, hiverina indray izany, izay hotanterahina ny 26 sy 27 febroary izao ary ny 4 sy 5 marsa, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Efa tsindriandaona avokoa ny mpankafy ity hetsika karakarain’ny Rdj hiarahana miasa amin’ny federasiona malagasin’ny basikety ity. […]
Orange Pro League: resin’ny Fosa ny Uscafoot
Notanterahina ny asabotsy sy ny omaly alahady teo ny andro fahenina ny fifaninanam-pirenena “Orange Pro League” (OPL), taona 2023, ho an’ireo kaonferansy avaratra sy atsimo. Anisan’ny lalao tena nanamarika ny andro fahenina ny fihaonan’ny Uscafoot Analamanga sy ny Fosa Junior FC Boeny ho an’ny vondrona avaratra, lavo tamin’ny isa tery […]
Rugby – « Super coupe Mada »: rava tsy lera ny lalaon’ny Cosfa sy ny FTM
Noravan’ny mpitsara tsy lera ny fihaonan’ny Cosfa sy ny FTM Manjakaray, tamin’ny lalao famaranana ny “Super coupe Mada”, taona 2023. Lalao fihantsiana nahafeno mpijery marobe, natao teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, omaly 19 febroary 2023. Tapitra teo amin’ny minitra faha-13, fizaram-potoana faharoa, ny fihaonan’ny Cosfa miaramila sy ny FTM Manjakaray. […]
IFM Analakely : voasariky ny fampirantina ny mpanao hosodoko
Miditra amin’ny herinandro farany anaovana ny varotra fampirantina ny eny amin’ny Institut Française de Madagascar na IFM Analakely. Varotra fampirantina tanterahin’i Guy Pradel, mpanao hosodoko matihanina. “Ny vahiny sy ny malagasy ao anatin’ny tontolon’ny hosodoko ihany no tena lina amin’ny hetsika. Tanjona anefa ny hampiseho bebekokoa ny hosodoka amin’ny Malagasy”, […]







