Ny fitiavana nolalaovina tanaty hatsikana… Fa tsy izay ihany no natolotry ry Eric sy Honorat ao amin’ny tarika Fou hehy sy Aldini sy Riri ao amin’ny tarika Etsetra Etsetra, omaly. Maro ireo tsy nampoizin’ny mpijery tonga tao amin’ny CCEsca Antanimena tamin’ny seho natolotr’izy efadahy ireto. Saika hatsikana vaovao ny ankamaroany, […]
Other News
“Tagnamaro” : nodiovina ny Rovan’Ilafy
Sabotsy fahatelon’ny volana, fanaovana ny “Tagnamaro” manerana ny Nosy. Nisafidy ny Rovan’Ilafy ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera foibe, nanatontosana izany ny asabotsy teo. Fanadiovana ny tokontany malalaka, fanamboarana ny zaridaina ary fanalana ireo kirihitra manodidina no marimarina kokoa nitondrana “Tagnamaro” teny amin’ity vakoka manan-tantara ity. Tafiditra anatin’ny fikolokoloana ny […]
Kabary – Fi.Mpi.Ma : hoentina mitety faritany ny hetsika faha-60 taona
Fikambanan’ny mpikabary malagasy (Fi.Mpi.Ma), zokiny indrindra eo amin’ny fikajiana sy fikoloana ary fampivelarana ny kabary malagasy. Niavaka noho ny hita hatramin’izay ny zava-nisy nandritra ny fanokafana ny faha-60 taonan’ity fikambanana ity. Notontosaina tetsy amin’ny Araben’ny Fahaleovantena Analakely sy teo anoloana ary tao anatin’ny Lapan’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra ny asabotsy teo, ny […]
Antoko Vitm : hankalaza ny faha-50 taonany
“Teo lalandava ny antoko Vonjy iray tsy mivaky hatramin’izay”, hoy ny filoha nasionalin’ny Vitm, Razanabahiny Christian, ny amin’ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny antoko tarihiny. Manao ny fanaovazana ny fanehoam-pisiana isan-taona eny anivon’ny minisiteran’ny Atitany ny antoko, ary mpikamban’ny International socialiste (IS). Tamin’ny taona 1973 no niorenany, nifandraika tamin’ny raharaha 1972-1973. […]
Andriamalazaray Andoniaina : “140 miliara Ariry no enti-manana ny fifidianana”
“Ny fifidianana filohan’ny Repoblika hatao amin’ny 9 novambra ny fihodinana voalohany ary amin’ny 20 desambra ny fihodinana faharoa, heverinay fa tokony hanokanana vola 140 miliara Ar any ho any”, hoy ny filoha lefitra voalohan’ny Ceni, Andriamalazaray Andoniaina, momba ny vola enti-manana ny fifidianana filohan’ny Repoblika fihodinana voalohany sy faharoa. Heverin’ny […]







