Lavon’ny zandary ny jiolahy roa lahy tao Ambohimanga, fokontany Antsahondra, Kaominina Ambohitompoina, Distrika Antanifotsy ny zoma 17 febroary teo. Nihaodihaody teny amin’ny manodidina ny fokontany ireto olon-dratsy ka tsikaritry ny fokonolona. Nampandre avy hatrany ny zandary ireo fokonolona. Nidina nijery ifotony ny zava-misy ny zandary. Nirifatra ireo dahalo mirahalahy vao […]
Other News
Ranomainty – Taolagnaro : daholo roa lahy tratran’ny Tafika
Ampolony ireo andian-dahalo nirongo basim-borona sy famaky ary lefona nitangorona tamin’iny lalam-pirenena faha 13 (RN13) iny. Tao Ranomainty, kaominina ambanivohitr’Ankariera, distrikan’i Taolagnaro, no nitrangan’izany afakomaly. Nikasa handroba ny mpndeha amin’iny lalana iny ireto dahalo ireto, araka ny fanazavan’ny mpandeha tamina taksiborosy hihazo an’i Taolagnaro. Nampandre haingana ny zava-misy tamin’ny miaramilan’ny […]
Saika hiditra an-tsokosoko : teratany malagasy 11 tratra tao Comores
Sarona tatsy amin’ny Nosy Comores avokoa ireo teratany malagasy 11 niditra an-tsokosoko tao an-toerana. Niainga tao Mahajanga ny 06 febroary lasa teo ny sambo “Shanny” nandehanan’ireo mpandeha. Nitondra entana ilay sambo ary mbola ireo tantsambo no tao anatiny nandritra ny fisavana sy fanaraha-maso azy tao amin’ny seranan-tsambo. Nony tao amin’ny […]
Belo Tsiribihina : lehilahy notifirina tao an-tranony
Lehilahy iray no notafihan’andian-jiolahy tao an-tranony tao amin’ny fokontany Ankalalobe- Bevitsika, distrika Belo Tsiribihina. Ny zoma teo tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany alina, niditra an-keriny tao amin’ity lehilahy ity ireo olon-dratsy. Voaroba tamin’izay ny vola mitentina 500.000Ar avy eo nanapoaka basy izy ireo. Maty tamin’izay ity lehilahy ity […]
Nanafika ben’ny Tanàna: jiolahy raindahiny maty voatifitra
Anisan’ny nanafika ny ben’ny Tanàna tao Ankirihitra, lavon’ny zandary ny jiolahy ikoizana amin’ny fanafihana mitam-piadiana tao amin’ny kaominina ambanivohitra Ankijabe, distrikan’Ambato Boeny, ny alakamisy teo. Nanao fisafoana nandritra ny alin’io andro io ny fokonolona sy ny zandary. Voasambotra nandritra izany ity olon-dratsy ity. Nentin’ny manam-pahefana hihazo ny biraon’ny zandary izy. […]







