Other News

Atletisma-JIOI : atleta 24 ho any Dakar sy Kenya

Hiady ny ho lohalaharana ny tanjona ho an’ny taranja atletisma, mandritra ny la­laon’ny Nosy, araka ny nambaran’ny filohan’ny Federa­siona malagasin’ny atletisma, Raherison Dominique. Tsy vita mora anefa izany fa tsy maintsy manomana, hoy hatrany ny nambarany. Izany indrindra no hisaorany ny fitondram-panjakana manome fiofanana ny atleta toy izao. Ankoatra ireo […]

JIOI-Fiofanana any Chine: afaka efa-bolana vao hiverina ireo atleta 51

Lasa omaly, ireo atleta andiany voalohany, hiatrika ny fiofanana any Chine, ho fanomanana ny lalaon’ny Nosy hotanterahina eto Madagasikara. Afaka efa-bolana vao hiverina eto an-tanindrazana. Atleta miisa 29 miaraka amin’ny mpanazatra 2, avy amin’ny taranja atletisma sy fibatana fonjambyireo nanainga omaly, haka traikefa any Chine. Niara-dalana amin’izy ireo ny solontenan’ny […]

Tambajotran-jiolahy ; dimy lahy indray matin’ny zandary

Ravan’ny zandarimaria avy ao Maevatanana ny tambajotran-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadina sy mpanakan-dalana. Taorian’ny nahafatesan’ ireo jiolahy telo lahy saika ha­nafika taksiborosy avy ao Maha­janga saika hihazo ny renivohitra ny alahady teo. Nitohy ny famotorana ny raharaha. Voa-sambotra mialohan’io kosa ireo namany roa lahy voatondro ho atidoha nikotrika iny fanafihana iny. […]

Kaominina Toamasina : tsy afa-po amin’ny asa ny mponina

Mahatratra 2015 ireo mpiasa eo anivon’ny kaominina am­bonivohitra Toamasina. Mi­tsin­jara 1117 ireo mpiasa tsy raikitra, miisa 898 ny mpiasa raikitra. Mitaraina sy milaza fa tsy afa-po amin’ny asa voaray ny ankamaroan’ny mponina. Nilaza izy ireo fa mahatratra 30.000 Ariary ny vola omanina vao mahavita sora-piankohonana ao amin’ny kaominina. « Mbola […]

“Ilay seho”…: hizara ny “Mangetikatimo” i Lova Mpagnesa

“Ilay seho”… Izay mihi­tsy no nampisaloran’i Lova Mpagnesa ny fiakarana an-tsehatra hotontosainy rahampitso, etsy amin’ny AFT An­davamamba. Maneho ny fa­nomanana, ny fiandrasana ny fotoana ary ny fahavononana hanatontosa “Ilay seho” izay anarany izay. “Mahafaly ahy indrindra ny mampahafantatra ity seho ity, indrindra ny fiarahana amin’ireto mpanakanto manana ny mampiavaka azy […]