Other News

Chine-Madagasikara : nifampiresahana manokana ny varotra lavanila

Nifampiresaka ny 6 janoary 2023 teo teny Ambohidahy, ny misahana ny fandraharahana ao amin’ny masoivoho si­noa eto Madagasikara, Atoa Zhang Wei sy ireo mpiara-miasa aminy tamin’ny minisitry ny Indostria, varotra, sy fanjifana, Razafindravahy Ed­gard. Navoitran’ny minisitra tamin’io fihaonana io ny mam­palaza an’i Madagasi­kara amin’ny vokatra lavanila, ka mila hanaovana tolotra […]

Mpamily kamiao: tsy grevy fa fanairana no hatao

Fantatra fa hanao hetsika amin’ny alahady 15 janoary, ny mpamily fiarabe mampiasa ny lalam-pirenena faharoa (RN 2), noho ny haratsian’ny lalana. Nomarihin’ny filohan’ny Vondron’ny mpitatitra matihanina any Atsinanana (GTPE) Alain, fa araka ny tatitry ny mpamily amin’izy ireo, intelo no nisy kamiao nivadika teo amin’ny toerana iray antsoina hoe Marozava­vy, […]

Vary Tsinjo: amidy 650 Ar ny kapoaka

Nisantarana ny fanapariahana ny vary Tsinjo ny eto an-dRenivohitra, hitsinjovana ny maitsoahitra ary hahazo koa ny faritra hafa, raha ny filazan’ny minisiteran’ny Varotra. Mitobaka kosa ny vary eto an-toerana any Bongolava sy Atsimo Atsinanana. Milanja 60 taonina ny vary Tsinjo naparitaka any amin’ny fo­kontany miisa 54 ato anatin’ny kaominina Antananarivo […]

CNIDH : “Tsy voamarina ny fivarotana zaza any Ikongo”

Nanao fanambarana, ma­noloana ny fiparitahan’ny resaka fivarotan-jaza ao amin’ny distrikan’Ikongo ny eo anivon’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny zon’olombelona (CNIDH), omaly. Nanatanteraka fanangonam-baovao sy fanamarinana teo anivon’ireo sampandraharaham-panjakana, olom-boafidy sy firaisamonim-pirenena any an-toerana izy ireo. “Tsy voamarina hatreto ny fisian’ny tranga fivarotan-jaza any an-toerana”, hoy ny CINDH. Nambaran’izy ireo fa […]

Tsy fifankahazoan’ny samy depiote: niaro ny kestora Jean Michel ireo ben’ny Tanàna

Nohelohin’ireo mpitazona hazomanga, mpandrindra fiarahamonina ary ireo ben’ny Tanàna miisa 16 amin’ireo kaominina 21 any amin’ny distrikan’Ambovombe An­droy ny depiote any an-toerana, i Milavonjy. Ambaran’izy ireo fa nametavetana sy nanaratsy ary nanalabaraka ny depiote Jean Michel Henri, voafidy tao Ambovombe sy ny mpitondra isan-tokony io solombavambahoaka io. “Tsy rariny intsony […]