Other News

Basikety : nodimandry i Veve Prince

Misaona ny tontolon’ny taranja basikety malagasy. Nodimandry, omaly 1 ja­no­ary, i Hajaniaina Veve Prince (Veve Jump). Mpi­kambana tao amin’ ny federasiona malagasy ny basikety (FMBB), ny tenany. Aretina homamiadana, efa nikiky azy nandritra ny fotoana maro no nitarika ny fahafatesany. Anisany tena nahafantarana azy, ny fikarakarana ny fifaninanana “Tournoi Jump”. […]

Tsipy kanetibe: nisongadina ny amboaran’ny filoha

Anisan’ny taranja nampamiratra ny malagasy, ny tsipy kanetibe. Nanjombona sy nisedra olana anefa izany nandritra iny taona nivalona iny. Teo ny tsy fisian’ny lalao iraisam-pirenena, natrehina sy ny namoizana ny mpanazatra ny ekipam-pirenena. Na izany aza, nisongadina kosa ny fisian’ny fifaninanana niadiana ny amboaran’ny Filoha, izay fahombiazana tanteraka. Nifamahofaho tao […]

« Fonds souverain malagasy » : hitrandrahana ny harena eto an-toerana

Tsiahivina fa lany teo anivon’ny Antenimieran­doho­lo­na ny lalàna « Fonds souverain malagasy », natao indrindra hanomezan-danja ny sehatra rehetra eto Madagasikara. Trandrahina izay azo atao rehetra mba tsy hiankinan-doha any ivelany, na ao anatin’ny fanatontoloana aza ny toekarena eran-tany, araka ny nambaran’ireo loholona mom­ba ity tahiry ity. Araka izany, avy amin’io «Fonds […]

Boeny : mpanjono maro be nahazo « kit de sécurité »

Mitohy hatrany ny hetsika fizarana fitaovana, ataon’ny Ministeran’ny Jono sy ny toekarena manga. Notanterahina tany amin’ny faritra Boeny, ny fizarana fitaovam-piarovana an-dranomasina na “kit de sécurité en mer”. Nahazo ny anjarany ny mpanjono miisa 100, tao amin’ny fokontanin’i Antsohery. Hetsika izay no­tontosain’ny ekipan’ny fitaleavam-paritry ny Jono sy ny toekarena manga […]

Ambatovy: nanome rano fisotro madio

Noho ny tetikasa iray no­vatsian’Ambatovy vola 212 tapitrisa ariary mahery. Mpo­nina 450 mahery avy amina tokantrano 101 monina ao amin’ny vohitra enina manodidina ny toeram-pitrandra­han’Ambatovy, ao Mora­man­ga no misitraka rano fisotro madio ankehitriny. Nametra­ha­na paompy folo tao amin’ny tanànan’Ampielemana, An­­kazotokana, Ambato­main-ty, Ampangadiatrandraka, Be­hontsa ary Berano. Natao ny 15 desambra 2022 […]