Mazava be toa karatry naivo ny tatitra mikasika ny fankalazana ny krismasy fa nahazo vahana ny tsy fandriampahalemana. An-jatony ny olona voasambotra noho ny halatra, fanendahana, fandrobana, vaky trano sy fanafihana mitam-piadiana. Maro ny tsy manan-tsiny lasibatra. Betsaka ny fongana fananana sy very herim-po tanatin’ny minitra vitsy monja. Tao anatin’ny […]
Other News
Fanafihana mitam-piadiana : voaroba ny vola, Sinoa iray maty
Maty norasain’ny jiolahy antsy ny teratany sinoa iray, afakomaly alina. Maratra ny vadiny.. Lasan’ny jiolahy ny vola teny Fitraofana Talatamaty. Namoy ny ainy vokatry ny vono sy fandrobana nataon’ny jiolahy nitam-basy ny teratany sinoa iray mpivarotra etsy Behoririka, tao Fitraofana, afakomaly. Tokony ho tamin’ny 07 ora sy sasany, niditra an-keriny […]
Tselatra
Naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora avokoa ireo lehilahy miisa enina voatondro ho nangalatra vy tamina « pilone » mitondra tariby « haute tension » ny orinasa Jirama teny Behintsy –Ambohimangakely, ny alakamisy teo. Tsiahivina fa noentin’ireo jiolahy tamina sarety ireo vy halatra saingy nisy nahatsikaritra. Nampandre ny zandarimaria ny fokonolona ka tratra tamin’izay ireo […]
Ambohidratrimo : ady tany nivadika halatra akoho, lehilahy iray voasambotra
Manao antso amin’ny tompon’andraikitra isan’ambaratongany eto amin’ny firenena, indrindra fa ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena (SEG), ny Jly Serge Gellé ny fianakavian’ilay lehilahy voarohirohy tamina raharaha halatra akoho nifangaro ady tany, tao amin’ny fokontany Ambohinaorina, kaominina Fiadanana, distrikan’Ambohidratrimo. Araka ny fanazavan-dRakotoniaina Hanitra Evah, mpandraharaha eny Madera Namontana, nisolo tena ny […]
Tsy mifidy taona intsony…: tratran’ny polisin’ny BFP ireo tontakely mpisoloky
Ankizilahy roa 15 sy 16 taona tratra nangarom-paosy sy nisoloky tao Toamasina, omaly antoandro. Ny polisin’ny BFP (Brigade feminine de proximité) Toamasina no nahasambotra azy ireo taorian’ny fanenjehana. Ankizilahy 12 taona no niharan’ny asa ratsin’izy ireo. Ny iray mandrahona, ny iray kosa maka ny zavatra ao anaty paosy sy ny […]






