Other News

COI -Madagasikara filoha am-perinasa: manamafy ny fiaraha-miasa amin’ny UE sy ny Frantsay

Madagasikara izao ny filoha am-perinasa ny COI (Commission de l’Océan Indien). Niantso fivoriana tsy ara-potoana ho an’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny mpikambana ao amin’ny COI ny Malagasy ny 22 desambra 2022. Fivorina azo narahin-davitra (en ligne). Io fivorina tsy ara-potoana io no nahafahana nandray fepetra mialohan’ny fanavaozana ny COI. « Ranomasimbe Indianina ifampizarana », […]

CBD Cop15: faritra arovana 30 mialoha ny 2030

Nankatovian’ny firenena miisa 196, ny 19 desambra teo, ny « Fifanarahan’i Kunming-Montréal », antsoina koa hoe « Fifanarahana ho an’ny fandriampahalemana miaraka amin’ny tontolo iainana ». Tafiditra ao anatin’ny fivoriamben’ny firenena, CBD Cop 15 ity natao tany Montréal, Canada ity. Naharitra efa-taona ny ady hevitra, ny fifampiraharahana samihafa nandinihina ity, CBD Cop 15 ity, […]

Fetin’ny Noely Fampisehoana “Arbre de Noël”, nitondra aim-panahy”

Nahazo aim-panahy vaovao ny ankizy nandritra ny fankalazana ny Noely. Nasehon’izy ireo tamin’ny fampisehoana “Arbre de Noël” izany. Toy ny isan-taona, nikarakara hetsika “Arbre de Noël” nandraisan’ny ankizy anjara ireo mpanabe eny anivon’ny fiangonana rehefa fotoanan’ny Krismasy. Noely niavaka ny  tamin’ity taona ity raha ny zavatra hita sy nasehon’ny ankizy. […]

Basikety-Ankoay U19: haharitra 10 andro ny fampivondronana voalohany

Mafy ny fanazaran-tena hatrehan’ny Ankoay U19 lehilahy, amin’izao fanomanana ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, taranja basikety izao. Haharitra 10 andro ny fampivondronana tapany voalohany, hataon’ireo mpilalao 14 mirahalahy. Araka ny fandaharam-potoana, manatanteraka fanazaran-tena indroa isan’andro etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena ireo mpilalao, miaraka amin’ny mpanazatra , tarihan’ny Coach Randria Aimé, […]

Randrianasoloniaiko Siteny: Malagasy faharoa, tafapetraka ho filohana federasiona eto Afrika

Tsy vaovao eo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena, indrindra teo amin’ny taranja Judo, Randrianasoloniaiko Siteny. Tsy eto Madagasikara ihany izy no fantatra eo amin’ity taranja ity, fa eo amin’ny sehatra Afrikanina sy iraisam-pirenena ihany koa. Voafidy ho filohan’ny UAJ (Union Africaine de Judo), ny 18 mey 2022, ary izy no Malagasy faharoa […]