Other News

Karate : mpikatroka 30 mivon­drona etsy Ampefiloha

Taorian’ny fiatrehana ny fiadiana ny tompondakan’i Ma­dagasikara farany teo sy ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika natao tany Dur­ban, ma­natanteraka fampivondronana etsy amin’ny Akademia Nasionaly ny Spaoro Ampe­fi­loha, ny Fe­derasiona ny Ka­ratedo Ma­lagasy. Mpika­troka 30 mianadahy avy amin’ny ligy ma­nerana ny Nosy no ma­­naraka ny fampivondronana mandritra efatra andro, na­nomboka omaly […]

Taratry ny kanto

La Teinturerie – Tarika Mbola Talenta Ao anatiny tanteraka! Tao­rian’ ny seho fampahafantarana ny asabotsy teo, hiaka-tsehatra sahady etsy amin’ny La Teintu­rerie Ampasani­malo ry Mbola Talenta sy ny tariny, anio ma­nom­boka amin’ny 8 ora alina. Fotoana hizaran’izy ireo ha­trany ny sanganasany, mozika miaina mifototra amin’ny tendry gitara ravahina zavamaneno malagasy […]

Oniversiten’Antananarivo : Mahaliana ny tanora ny hetsika kolontsaina maroloko

Hetsika lehibe ahafahana mamantatra sy mampahafantatra kolontsaina maro ny hetsika “Kolontsaina maroloko”. Fo­toana ihany koa hiraisana sy hi­fanakalozana ho an’ny tsy mi­tovy fiaviana, indrindra ho an’ny mpianatry ny anjerimanontolo. Tanterahina eny amin’ny oniversiten’Antananarivo, ny 15 sy 16 desambra 2022, ny hetsika “Kolontsaina maroloko”, andiany faharoa. Hetsika karakarain’ny sampandraharahan’ny kolontsaina eo […]

Fiainam-piarahamonina : mbola voazanaka i Madagasikara

An’ny Malagasy i Madagasikara. Ekena, saingy tsy izay ny tena zava-misy marina ! Manana ny fombany ny Malagasy. Tsy azo lavina, saingy zovy no miaina izany amin’izao vanim-potoana izao ? Teny malagasy no ifampiresahana. Efa mifangaroharo be izy ankehitriny fa tsy madio ranoiray intsony. Natolotra ny Malagasy tamin’ny taona 1958 ny fahaleovantenam-pirenena… […]

Kitra – «Orange Pro League» : resin’ny Uscafoot ny ASA Diana

Nivoaka ho mpandresy tamin’ny isa tery, 3 no ho 2, ny Uscafoot nanoloana ny ASA Diana. Ambin-dalao tsy tontosa, ho an’ny kaonferansy avaratra, izay tafiditra amin’ny andro fahaefatra, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra “Oran­ge Pro League”. Fihaonana, notanterahina omaly alakamisy, tetsy amin’ny kianjan’ Alarobia. Niady […]