Anisan’ireo tarika malagasy mivoy ny rock, misongadina hatrany ivelany ry Dizzy Brains. Porofon’izany ny fahombiazan’ny “Dahalo Tour 2022”, na ny fitetezam-pirenena tany Eoropa nataon-dry Eddy sy ny tariny. Tontosa avokoa ireo seho 26 nampahafantarina mialoha, izay nanomboka tamin’ny volana jolay tao Frantsa. Tany rahateo ny ankamaroan’ny seho, ankoatra ny tany […]
Other News
Fitantanana ny zon’ny mpamorona : lany teny Tsimbazaza ilay tolo-dalànan’i Rossy
Taorian’ny asam-baomiera tamin’ny alatsinainy, nentina teo anivon’ny fivoriana azon’ny besinimaro atrehina teny amin’ny Antenimerampirenena Tsimbazaza ilay tolo-dalàna avy amin’ny solombavambahoaka Rahasimanana Paul Bert, na Rossy, omaly. Nolanian’ireo solombavambahoaka tonga tao, araka izany, ilay tolo-dalàna laharana faha-002-2022/PL, mahakasika ny fanavaozana ny lalàna laharana 94-036 mahakasika ny zon’ny mpamorona. Antony maromaro no […]
Ranty saripika: 15 taoana ny Madagaslam
Taorian’ny fifaninanana nasionaly teo amin’ny «Slam » nahafahana namantatra ny tompondakan’i Madagasikara. Mitohy amin’ny fampirantina, ny fankalazana ny faha-15 taonan’ny fikambanana Madagaslam. Eny amin’ny Ivontoeran’ny Kolontsaina Malagasy na IKM Antsahavola no hanatanterahana izany. Hetsika nanomboka ny 2 desambra ary tsy hifarana raha tsy amin’ny 23 desambra 2022. «Tanjona ao anatin’izao ny […]
Haikanton’ny ankehitriny: hotokanana ny trano vaovaon’ ny Fondation H
Manohana amin’ny fampivelarana ny mpanakanto sy ny zavakanto malagasy ny Fondation H. Misongadina ao anatin’izany ny kanton’ny ankehitriny. Fantatra fa mampitombo ny sehatra ivelarany amin’io andraikitra iantsorohany io ry zareo. Rehefa nohavaozina sy nasiam-panamboarana tao anatin’ny roa taona… Hotokanana ny 28 avrily 2023 izao, ny trano vaovaon’ny Fondation H, etsy […]
CUA – Fid – SCTV : sady hanodina fako no hamorona asa
Natao, omaly tetsy amin’ ny lapan’ny Tanàna Analakely ny fanaovan-tsonia fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny Fid ary ny “Société de Tri Compactage et Valorisation- STCV”. Anisan’ny orinasa mpanangona sy mpanodina fako. Nambaran’ny solontenan’ny Fid tamin’izany fa anisan’ny ny fandaharan’asa fiahiana ara-tsosialy Mikofo, tanterahan’izy ireo ary […]






