Other News

Samy miandry !

Herinandro farany amin’ny fiadiana ny amboara eran-tany ho an’ny taranja baolina kitra isika. Betsaka ny voka-dalao tsy nampoizina hatrany am-boalohany, indrindra ho an’ny ekipa tsy nampidirina tany anaty lisitr’ireo sangany sy noheverina ho loha-laharana. Azo lazaina fa tomombana ny fanomanana tao Qatar, na betsaka azy ny kiana sy ny fanenjehana […]

Lehilahy namono vady : novelesina maritoa, mbola naolana

Voaheloka higadra mandra-pahafatiny, miampy asa an-terivozona ny raim-pianakaviana iray. Novonoiny tamin’ny vely kobay sy maritoa ny vadiny. Mbola naolana koa na dia efa safotra aza. Efa dimy sahady izao ireo voampanga namo­a­hana didim-pitsarana hanefa sazy asa an-terivozona mandra-pahafaty miampy ny tsy fahazoana mivoaka ny faritra misy azy. Misy indray ireo […]

Fianarantsoa : tratra ireo mpanao vola sandoka

Voasambotry ny polisy ireo jiolahy telo, malaza amin’ny fanaparitahana vola sandoka sy famakiana trano mitam-piadiana, any Fiana­rantsoa, ny talata teo. Mari­hi­na fa anisan’ny toerana nahitana vola sandoka mivezivezy sy vaky trano tany an-toerana. Maro ny olona lasibatr’izany asa ratsy izany ka nitaraina teny anivon’ny polisim-pirenena any an-toerana. Voalaza fa andian-jiolahy […]

Varotra basy: enin-dahy voasambotry ny zandary

Voararan’ny lalàna velona ny fivarotana basy tsy misy taratasy. Tamin’ity indray mitoraka ity, tra-tehaky ny zandary ny enin-dahy saika hivarotra izany an-tsokosoko tao Vondrozo. Voasambotra taorian’ny fanadihadiana lalina ireo jiolahy, ny asabotsy lasa teo. Tsiahivina fa naharay vaovao momba ity raharaha ity ny zandary avy ao Von­drozo, herinandro vitsy lasa […]

Fanafihana mitam-piadiana : lasan’ny jiolahy ny vola tapa-gony

Tao anatin’ny iray volana, mirongatra ny fanafihana mitam-piadiana mahery vaika ataon’ny jiolahy any Vato­mandry. Lasibatra ny tsena iray any an-toerana ny alatsinainy tamin’ny 6 ora sasany hariva teo. Niditra an-keriny tao amin’ny tsena iray ao amin’ny kaominina ambanivohitra Tsarasambo, distrikan’ i Vatomandry, ireo olon-dratsy. Norahonany ny Ramatoa tom­pon-tsena, nambanany tamin’ny […]