Miaina kely ny mpanjifa! Nidina ho 4 500 Ar ny kilaon’ ny tongolobe eny amin’ny tsenan’Andravoahangy. Omaly no nahitana izany fihenam-bidy izany, raha mbola manodidina ny 5 000 Ar hatramin’ny 5 500 Ar ny kilao, ny herinandro lasa teo. Tsiahivina fa nanomboka ny fiandohan’ity taona 2024 ity no tena nidangana […]
Other News
Ampanihy: Osy 1 278 nozaraina tamin’ny mpiompy
Anisan’ny manohana ny mpiompy ny tetikasa Fandroso. Nisitraka ny tohana ny tantsaha any amin’ny distrikan’Ampanihy, toerana tena ahitana osy. Miisa 247 ny mpahazo tombontsoa, mivondrona anaty fikambanan’ny mpiompy miisa 20, nisitraka osy miisa 1 278, tany amin’ny kaominina maromaro anaty ny distrikan’Ampanihy, faritra Atsimo Andrefana, ny 19 aogositra teo. Anisan’izany ny […]
TARATRY ny KANTO
Tsy mety mifankazatra ny mpisehatra anaty rohim-boky. Hatramin’izao, miha mitombo an-dalana aza. Sady mpanoratra no mpanonta, no mpivaro-boky, sns, ny olona iray. Satria, mbola maro no tsy mahafantatra ny tena fitsinjarana asa ao anatina rohim-boky iray. Miteraka tahotra sy ahiahy izany, hany ka voatery misahana asa sy andraikitra maro ny […]
Antsahamanitra : hihira ny nampalaza azy ny tarika Tselatra
Hanapoaka! Hanao fampisehoana goavana ny tarika Tselatra, miangaly ny gadona Rock sy Heavy metal, etsy Antsahamanitra, ny alahady 8 septambra 2024 ho avy izao. Nilaza i Eric, mpihira sady filohan’ny tarika, fa hiavaka tanteraka miohatra ny hatramin’izay ity seho ity, satria hatao daholo ny hira rehetra nampalaza sy tena nahafantaran’ny […]
Zavakanto malagasy : miezaka miarina ny teatra malagasy
Zary zava-misy iainan’ny zavakanto amin’ny ankapobeny, noho ny fanatontoloana sy ny fivoaran’ny haitao ara-kajy mirindra ny fahaverezana. Fanabeazana feno anefa ny zavakanto ka tokony hampifanarahina amin’ny fivoarana ho tombotsoan’ny taranaka. Zavakanto anisan’ny very hasina teto Madagasikara ny tontolon’ny teatra. Maro ny antony nahatonga izany. Misy ny avy ao anatiny, izany […]