Misaona ny tontolon’ny baolina kitra aty amin’ny kaontinanta afrikanina. Nodimandry teo amin’ny faha-77 taonany, tany Paris, ny alakamisy lasa teo, ilay Kameroney filohan’ny kaonfederasiona afrikanin’ny baolina kitra (Caf) teo aloha, Issa Hayatou. Nitantana ny Caf nandritra ny taona 1988-2017 izy, ary efa voatendry ho filoha vonjimaikan’ ny Fifa ny taona […]
Other News
« Ligue des Champions Caf »: mbola baraingo ny momba an’i El Hadari ao amin’ny Disciples Fc
Hotanterahina atsy Maurice, ny 18 aogositra ho avy izao, ny lalaon’ny Disciples FC sy ny Orlando Pirates Afrika Atsimo. Andrasana ny mahakasika an’i EL Hadari. Afaka dimy andro, izany hoe, ny 15 aogositra ho avy izao no hanainga eto an-tanindrazana ho any amin’ny Nosy Maurice, ny Disciples FC Madagasikara. Hiatrika […]
Indray mijery
Tsy mandray mpiasam-panjakana vaovao ny minisitera rehetra ao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2024, ankoatra ny fitandroana ny filaminana. Hisy fiantraikany amin’ny fahasalamam-bahoaka eny ifotony ny fanapahan-kevitra satria betsaka ny fotodrafitrasam-pahasalamana miorina tsy misy mpiasa. Nivory niaraka tamin’ny tomponandraikitra sy talen-tsekoly avy amin’ny tsy miankina ny ekipan’ny Ofisy nasionaly misahana […]
Taratry ny kanto
Fotoan-dehibe ho an’ny mpankafy mozika, indrindra ny Jazz, ity faran’ny herinandro ity. Hanamarika izany mantsy ny « Jazz Street », atao eny amin’ny Tohatohabaton’Antaninarenina, anio, sy ny “Grande Scène”, manoloana ny Lapan’ny Tanàna Analakely, rahampitso. Hetsika samy tafiditra ao anatin’ny “Festival Jazz Tohatohabato”, andiany faha -13. “Les Elles des jeux”, fampirantiana atao […]
Vohitra manan-tantara: fetin’ny taranaka FJKM Ambohimamory
Iray amin’ireo vohitra manan-tantara eto Imerina i Ambohimamory. Anisan’ny nahatahiry izany ny FJKM Ambohimamory Malala Orimbato. Hisongadina amin’ny « Fetin’ny taranaka » hotanterahina rahampitso eny an-toerana io. Nanao antso ho azy ireo ny tomponandraikitra hanatontosa ny fihaonana hiainana indray ny fifankatiavana sy firaisankina ary ny fifankahalalana. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny fanompoampivavahana […]