Other News

VAOVAO TAMBATRA

Tonga ao an-tampon-tanànan’i Taolagnaro ny fandrarahana godirao ny RN-13, miainga avy any Ambo­vombe. Tetezam-by vitsivitsy sisa no hasiam-panamboarana ato anatin’ny 3 volana, vinavinaina ho vita tanteraka amin’ny faramparan’ny volana oktobra, ka ao anatin’izany ny tetezana Ranopiso, maherin’ny 100 metatra. Manana tanjaka 1 MW ny tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro, […]

Fambolena: Manohana ny tetikasa vary safiotra ny FAO

Nitsidika ny Foibe fitaratra mahakasika ny famokarana masomboly vary safiotra eny Andranovaky Mahitsy, ny tale jeneralin’ny Fikambanana iraisam-pirenena ara-tsakafo (FAO), ny Dr. Qu Dongyu, ny sabotsy 26 jolay teo. Nitarika azy teny an-toerana ny Sekre­te­ram-panjakana misahana ny Fahaleovantena ara-tsakafo (SESA), Rtoa Razanamahefa Tahian’Ny Avo sy ny mpiara-miasa aminy. Nojerena manokana […]

Fizahantany: Nivoaka ny boky « +261 Expériences Madagascar »

Nampahafantarina ny 25 jolay teo ny hamoahana ny boky torolalana ho an’ny fizahantany «+261 Experiences Mada­gas­car». Manantontosa azy ny Ofisim-pirenena ho an’ ny fizahantany eto Madagasikara (ONTM). Mirakitra ireo toerana mahaliana sy miavaka ara-pizahantany eto amintsika ity boky ity. Nambaran’ny tale mpanatanteraka ao amin’ny ONTM, Barivelo Danny, fa tanjona ny […]

Sadc: Hatao kaontinanta indostrialy i Afrika

Natao kaontinanta mpanondrana akora fototra hatrany i Afrika hatramin’izay, indrindra ny lafiny fambolena sy ny harena ambanin’ny tany. Hanova izany no anisan’ny tena hifantohana nananganana ny Tsenam-paritra aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika (Sadc). Amin’izao hanatanterahana ny fihaonana an-tampony, andiany faha-8, eto Ma­da­gasikara izao, omen-danja manokana ny hetsika «Herinan­dron’ny indostrian’ny Sadc», […]

Tsena andavanandro: Nihena 150 Ariary ny kapoakan’ ny vary

Mbola foto-tsakafo tsy afaka miala amin’ ny fiainan’ny Mala­ga­sy ny vary. Nahita­na filatsahana ny vi­din’izany eny an-tse­na, araka ny fidinanana ifotony teny Antanimena. Anisan’ireo entana andavanandro ahitana fiovam-bidy ny vary. Araka ny fanadihadiana natao omaly, teny amin’ny tsena andavanandro iray, teo Anta­ni­mena, nahitana fihenana eo ho eo amin’ny 150 Ariary […]