Other News

Fanarenana ny lalam-pirenena faharoa : “Tsy maintsy tonga any an-dRenivohitra ireo milina goavan’ny Jirama”, hoy ny minisitry ny Asa vaventy

Nitsidika ny lalam-pirenena faharoa ny minisitry ny Asa vaventy, Rafidison Richard Théodore. Nijery ny fizotran’ ny asa fanamboarana ny lalana sy nanome toromarika an’ireo orinasa mi­andraikitra ity tetikasa ity izy tamin’ izany. Nanatanteraka fitsidi­hana ara-pomba ofi­sialy ny lalam-pirenena faharoa, manoloana ny asa fanarenana ataon’ireo orinasa nahazo ny tolobidy, ny mini­sitry […]

SOMBIM-BAOVAO

Ekipa lehilahy 10 sy vehivavy 9 no hifaninana mandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja volley-ball, eo amin’ny sokajy « 1ère division ». Fifaninanana hotontosaina eny amin’ny Kianja mitafo Ankoay Ankorondrano, ny 20 hatramin’ny 27 septambra izao. Ny 19 septambra izao kosa no hanatanterahana ny fivoriana ara-teknika sy ny antsapaka. Hifarana anio […]

Karate Analamanga : Hiezaka hampiakatra ny lentan’ny mpikatroka

Notontosaina ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Kianja mitafo Ankoay Anko­ron­drano, ny fiadiana ny tom­pon­dakan’Analamanga, taranja Karate. Nahatonga solontena avokoa ny seksiona 8 mandrafitra ny ligy ary nahatratra 150 ny isan’ny mpandray anjara. Niakatra ny haavo teknika ho an’ity fifaninanana 2025 ity ary hiezaka hampiakatra hatrany ny lentan’ny mpikatroka ny […]

Tenisy “WTA 250”: Norombahin’i Tiantsoa ny amboara

Tontosa ny alahady lasa teo, tany Sao Paulo, Brésil, ny fiadiana ny “WTA 250”, taranja tenisy, sokajy vehivavy. Norom­bahin’ilay Malagasy mizaka ny zom-pirenena frantsay, Rako­tomanga Rajaonah Tiantsoa Sarah ny amboara tamin’izany. Resiny teo amin’ny famaranana, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/3 ; 6/4), ilay indonezianina, i Janice Tjen. Vao […]

Baolina kitra – Cosafa U17: Lalao hitadiavana fandresena sisa ny an’ny Barea

Fiarovantena! Hifanandrina amin’i Zambie, tompondaka farany, anio, any Zimbabwe, ny Barea, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika, taranja baolina kitra (Cosafa U17). Tsy maintsy hitady fandresena ny Barean’i Madagasikara Hotanterahina anio ny andro fahatelo amin’ny fifanintsanana isam-bondrona eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka ho an’ireo […]