Other News

Loholona Lalatiana R.: “Tsy trosa ireo fiara nomen’ny sinoa”

Anisan’ireo nanatrika ny lanonana fanolorana ny fiara miisa 16 avy amin’ny fitondram-panjakana sinoa, omaly, teny Iavoloha, ny loholona Rakotondrazafy Lalatiana. Nitondra fanazavana momba izany fanomezana izany ny tenany ka nilaza fa maimaimpoana izany. “Tsy misy tambiny ary tsy natao trosa mihitsy sao hamendrofendro indray ireo mpanita-dresaka matihanina”, hoy izy. Nanteriny […]

Fandraisana ny Sadc: Nanolotra fiara raitra miisa 16 i chine

Mizotra araka ny tokony ho izy ny fanomanana ny fivoriambe iraisam-pirenena, Sadc, hatao eto Antananarivo. Na eo amin’ny lafiny fotodrafitrasa izany na koa ny fametrahana ny toeran’i Madagasikara aty Afrika. Natolotra omaly, teny amin’ ny Lapam-panjakana Iavoloha, ireo fiara vaovao miisa 16, marika Hongqi H9, avy amin’ny Repoblika en­tim-bahoaka an’i […]

Tsindrilentam-pahefana : Manana anjara amin’ny fampandehanana ny demokrasia ny mpanohitra

Saika mahabe resaka sy adihevitra mandrakariva ny hoe fanoherana. Nefa tsy azo ialana; eny, na tsy sata raikitra aza. Manana anjara toerana amin’ny fampandehanana ny demokrasia ny mpanohitra. Famakafakana… Eo amin’ny politika, ma­nondro ireo hery rehetra mitsipaka ny fahefana misy ny mpanohitra. Na ao anatiny na ivelan’ny parlemanta izany. Mitana […]

TARATRY ny KANTO

Lanonana tsy manam-paharoa. Hotanterahina ny sabotsy 2 aogositra izao, manomboka amin’ny 9 ora maraina, ao amin’ny « Salle polyvalente Iugm Ambondrona, ny fitokanana ny Sampana Mahajanga ho an’ny Fikambanan’ny poety sy mpanoratra malagasy Havàtsa-Upem. Ampiarahina amin’io lanonana io ihany koa ny fandraisana ireo mpikambana ao anatiny. Antsa tononkalo, fanehoana ny dihim-paritra. […]