Lanonana tsy manam-paharoa. Hotanterahina ny sabotsy 2 aogositra izao, manomboka amin’ny 9 ora maraina, ao amin’ny « Salle polyvalente Iugm Ambondrona, ny fitokanana ny Sampana Mahajanga ho an’ny Fikambanan’ny poety sy mpanoratra malagasy Havàtsa-Upem. Ampiarahina amin’io lanonana io ihany koa ny fandraisana ireo mpikambana ao anatiny. Antsa tononkalo, fanehoana ny dihim-paritra. Ireo no handravaka ity hetsika ity.
Tsy mbola kolontsain’ny Malagasy ny manome lanja ny tahiry sy ny angon-tahiry. Matetika, mikatsaka ny zava-baovao hatrany ny fiarahamonina. Io toetra io no araraotin’ireo te hanova ny soatoavina eto Madagasikara. Anisan’izany ny fady sy ny fomba amam-panao. Ny fahendrena fahiny: « rehefa fady dia fady ». Saingy, rehefa tafiditra teto, ohatra, ireo karazam-pinoana sy fivavahana, nanjary niova ho finoanoam-poana ny « fady », satria, tia zava-baovao ny Malagasy.
Kolontsaina sy zavakanto ao anatin’ny fotoam-pialantsasatra lehibe ho an’ny mpianatra. Tsy manana vanim-potoana hafa ivelarana ankoatra io ny kolontsaina sy zavakanto malagasy? Satria, mbola atao ambanin-javatra ny fampiraisana ny tanora amin’ny kolontsainy. Ao anatin’ny 9 volana any an-dakilasy, vokisana kolontsaina tsy azy ny zaza sy ny ankizy ary ny tanora malagasy. Io fotoam-pialantsasatra lehibe io, anefa, mbola hifandrotehana amin-javatra hafa, hany ka tsy afa-manoatra raha mba te hampivelatra ny kolontsainy sy ny zavakantony ny tanora.




