Other News

Fifandraisan-davitra : Namoaka ny « cartoréseau interactive » ny Artec

Nampahafantarin’ny Autorité de régulation des téchnologies de communication na Artec ny vovonona ana habaka «cartoréseau interactive». Fitaovana ahafahan’ny besinimaro mahita amin’ny fotoana rehetra ny fandrakofana finday manerana ny Nosy izay azo jerena ao amin’ny tranokala https://www.artec.mg/cartoreseau/. Anisan’ny namolavola ity fitaovana ity ireo ekipa teknikan’ny Artec. Tanjona ny hampahafantarana ny rehetra […]

ITM-IHM : Misarika mpizahatany ny asa tanana

Nosantarina, omaly, ny Foara iraisam-pirenena ho an’ny fizahantany, andiany faha-11, (ITM) sy ny Foara iraisam-pirenena ho an’ny asa tanana (IHS), andiany faharoa. Nitarika ny fotoana ny filoha Rajoelina Andry. Maherin’ny 500 ny mpandray anjara, ahitana ireo mpisehatra amin’ny fizahantany sy asa tanana isan-tsokajiny. Firenena nasaina manokana i Maraoka, notarihin’ny minisitry […]

TARATRY ny KANTO

“Vendredi 13”, an’i Silo. Ny mpankafy rehetra efa mahalala fa fotoana ifanomezan’i Silo amin’ny mpankafy azy ny zoma faha-13, toy ny anio. Eny amin’ny Piment Café Behoririka ny fotoana, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany. Silo sy ny mozika, Silo hamerina ny SDF ary Silo hanome voninahitra ny Mahaleo no […]

Sehatra Bagasy: Omena vahana indray ny bagasy Piano

Mitohy tsy tapaka ireo he­tsika ho fampiroboroboana ny bagasy tanterahin’ny Sehatra Bagasy (SBG). Taorian’ny gitara sy valiha. Hiroso amin’ny anjarany indray ny fomba fitendrena piano bagasy. Tendry piano bagasy, hotanterahina ao amin’ny Espace Aro Antsahavola, rahampitso 14 jona, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro. Hitondra ny velakevitra, ha­maly ny […]

“Fetin’ny Mozika ” – Antananarivo: Hosokafan’ny Mozikara hatrany Andohatapenaka

Hiverina ny hetsika anisan’ny goavana indrindra fikarakaran’ny AFT. Hosokafan’ny Mozikara hatrany izany, mialoha ny seho goavambe hataon-dry Agrad sy Ceasar. Taona vitsivitsy izay no tsy nandray ny “Fetin’ny Mozika” fikarakaran’ny Alliance Française ny teto Antananarivo. Nivoaka kely ny Renivohitra hatrany ny fanamarihana teo aloha. Nampa­hafantarina omaly, tetsy amin’ ny foiben’ny […]