Hala-jaza sy vono olona: “Natao sorona i Sahala”, hoy ny Kly Randrianirina Michaël

Fantatra izao fa natao sorona i Sahala, ilay zazavavikely tsy hita tetsy Ampefiloha Ambodirano. Nanambara izany ny Filohan’ny Fanavaozana. Etsy ankilany, manao fitsaram-bahoaka avy hatrany amin’izay tratra ny fokonolona, toy ny tany Ambositra.

Efa tratra ny olona namono an’i Sahala, zazavavikely 12 taona, tsy hita tetsy Ampefiloha Ambodirano, ny alatsinainy 29 jolay 2026, tamin’ny 7 ora sy sasany ma­raina, raha ny nambaran’ny filohan’ny Fanavaozana. Voa­sambotra ireo olon-dratsy taorian’ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana. Ma­rihina fa hita teny Amboanjobe, Andoharanofotsy, ny harivan’ny 30 mey 2026 teo, ny vatana mangatsiakany, tany anaty ala. Fantatra, fa sorona ny antony namonoana azy, raha ny fanazavana na­taon’ny filoha, ny kolonely Randrianirina Mi­chaël, nandritra ny tafa nataony tamin’ny mpanao gazety, teny amin’ny CCI Ivato, afakomaly. Namba­rany fa mbola mandeha ny fanadihadiana rehetra mahakasika ireo vono olona misesisesy teto amin’ny Nosy ary antenaina fa hisy vokany iza­ny. Tsiahivina fa takon-kenatra sisa no hita teny amin’ny vatana mangatsiakan’i Sahala. Nesorina sy napetraka teo akaikiny ireo fitafiany rehetra, tamin’ny fotoana nahitana ny razana.
Tsy matoky fitsarana

Manoloana ny fahitana ny vatana mangatsiakan’ireo za­za, na olona nanaovan’ny havany ombay mitady tato ho ato, manomboka miditra amin’ ny fitsaram-bahoaka ny ankamaroan’ny mponina. Noho ny tsy fahatokisana intsony ny fitsarana no anton’izany. Ani­san’ny nahitana izany ny tany Ambositra, afakomaly, taorian’ny fahitana tao anaty lavapiringa tao Fasimena, distrikan’Ambositra, ny taolamba­lon’i Larissa, zavavavy 12 taona, afakomaly ihany. Nitaky ny hamoahana ireo olona miisa efatra izay voampanga tamin’io vono olona io ny mponina any an-toerana. Nafindra eny Tsiafahy sy eny Anta­nimora anefa ireo olona voampanga ho fisorohana ny fitsaram-bahoaka. Niroso tamin’ny fandoroana ny tranon’ireo voarohirohy ny fokonolona, ho setrin’izany. Loham-piampangana azy ireo ny fakana an-keriny zaza tsy ampy taona sy ny famonoana olona. Tonga nandamina ny toe-draharaha tany an-toerana ireo mpitandro filaminana. Nandray fepetra hanarenana ny fandriampahalemana any an-toerana. Ga­drai­na mandra-pahafaty
Etsy ankilany, nanamafy ny minisitry ny Fitsarana, Fani­risoa Erinaivo, fa “gadraina mandra-pahafaty ary tsy hisy fampihenan-tsazy izay rehetra tratra mangalatra olona sy mamono olona”, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy Analakely izy, omaly. Namba­rany fa mahatratra 256 ireo olona voamarina fa tsy hita teto amin’ny Nosy. 175 amin’izy ireo no efa hita sy tafaverina any amin’ny tokantranony. Fialana ny tokantranon’ny ray aman-dreniny noho ny fifamaliana sy ny disadisa isan-karazany kosa ny 74% amin’izany. 35 ireo faty olona tsy nanaovana ombay mitady. 14 tamin’ireo dia fahafatesana tsotra ary vono olona niniana natao kosa ny valo ambiny. 3 tamin’ireo no zaza nisy nanary. 30 no antontan-taratasy eny anivon’ny fitsarana.

Mino

Partager sur: